Endrika:Mpandrindra/Fangatahana
Fangatahana ho lasa Mpandrindra
Voninahitra ho ahy izay voalaza anarana etsy ambony no hanaovako izao fangatahana izao.
Toy izao manaraka izao ary ny momba ahy voalohany indrindra :
Ny tena anarako dia Bezara Roussel Florent, izaho dia mpianatra malagasy mianatra eto amin'ny Oniversite Mahajanga. Nanomboka niditra teto amin'i Wikipedia izaho tamin'ny 2013 anefa tsy dia nahafehy ny fampiasana ireo syntaxe wikipedia. Na dia izany aza dia niezaka hatrany aho nanoratra ny lahatsoratra tamin'ny teny malagasy. Roa taona taty aoriana, dia efa mahafehy tsara ireo fitaovana Mediawiki aho, ka nanomboka teo dia nanatombo sy nanatsara hatrany ny wikipedia malagasy aho.
Eto amin'ny wikipedia malagasy indray, dia vitsy dia vitsy ny mpikambana mavitrika amin'izao fotoana izao, ka mangataka ho lasa mpandrindran'ity wikipedia ity izaho. Ny antony manokana hangatahako ny zon'ny mpandrindra dia ny tenako mazoto sady tena tia hikarakara ity wiki ity, ary indrindra indrindra, manadio sy manaramaso ny lahatsoratra ary ny votoatiny, izay ho vitaina tsaratsara kokoa raha manana ny fitaovan'ny mpandrindra. Ankoatran'ny "asa fikojakojana" ny wiki moa dia misy antony faharoa indray : mahatsapa aho fa vitsy kely ireo mpandrindra wiki ity, hany ka betsaka ny lahatsoratra tsy voaharamaso, eo koa ny tsy fananan'ireo mpandrindra wiki ity ny fotoana. Ka heveriko arak'izany fa ilaina ny fanampina ny mpandrindra ary mino aho fa ny olona vonona sy mahafoy fotoana no tadiavina amin'ity Wikipedia malagasy ity.
Na dia kely aza ny mpandray anjara, betsaka ny asa kojakoja tokony hatao, nohon'ireo spam indrindra indrindra, ary koa noho ireo asa kojakoja ary ireo asa fanovana ny pejy voaaro (toa ny pejy fandraisana ary ny pejy misy ny endrika vangovango) sy ny asa fanakanana mpikambana mpanao spam.
Koa raiso tompoko ny voninahitra sy haja lehibe atolotro ho anareo.
--Be-Wiki-Gasy (discussion) 25 Mey 2015 à 15:22 (UTC)
Mangataka ho Mpandrindra : ZoAndriamifidisoa
Miarahaba anareo rehetra, Izaho mitondra ny kaonty ZoAndriamifidisoa dia mangataka ny ho mpandrindra ato amin'ny Wikipedia teny malagasy.
- Tamin'ny 13 aogositra 2025 no nanomboka wikipedia
- Efa mihoatra 570 ny fanovana vita
- Ny hameno ny efemerida herintaona sy ny hamoaka vaovao ilaina tahirizina mety hiofo ho pejy ilain'ny wikipedia no ezaka heveriko.
- Hanaisotra ireo pejy efa voalaza ho esorina na hofafana.
- Hijery ihany koa araka izay ifanarahan'ny rehetra ny hanatsarana ny endrik'ity wikipedia teny malagasy ity, hanintona ny tanora ny famakiana azy.
Dia mankasitraka amin'ny famakiana hatramin'ny farany ary mirary soa ho anareo rehetra! ZoAndriamifidisoa (resaka) 2 Aprily 2026 à 10:37 (UTC)
