Empira Bizantina
Ny atao hoe Empira Bizantina dia ny empira kristiana grika tatsinanana izay mpandova ny Empira Rômana Atsinanana nitoetra teo amin’ny faritra atsinanan’ i Eorôpa nandritra ny taonjato faha-4 hatramin’ ny taona 1453.
Tamin’ ny taona 330, dia noforonin’ i Kônstantino I ny tanànan’ i Kônstantinôpla izay natao ho "Rôma Vaovao" teo amin’ ny toerana nisy an’ i Bizansa taloha. Nosarahan’ i Teodôsio ho empira roa samy manana ny renivohiny ny Empira Rômana tamin’ ny taona 395. Tsy naharitra ela anefa ny Empira Rômana Andrefana fa nitontongana tanteraka tamin’ ny taina 476 noho ny fanafihan’ ny vahoaka jermanika izay nonina teo moron’ ny sisintanin’ ny Empira Rômana Andrefana. Nahatohitra ireo mpanafika jermanika ireo ny Empira Rômana Atsinanana ka noho ny tsifisian’ ny Empira Rômana Andrefana intsony dia natao hoe Empira Bizantina no anarany.