Dinika amin'ny mpikambana:Kaluvau

Le contenu de la page n’est pas pris en charge dans d’autres langues.
Avy amin'i Wikipedia

re : Fiarahabana sy soso-kevi-piaraha-miasa[hanova ny fango]

Miarahaba anao Kaluvau, ary misaotra anao mankasitraka ny sangan'asako eto amin'i Wikipedia ary any amin'i Wikibolana. Ilay teny Wikibolana io dia anarana hitan'ny mpikambana Hery, izay tsy manoratra eto amin'i Wikipedia intsony efa telo tsona lasa izay. Notazoniko ilay teny satria mahalaza tsara ny votoatin'ilay tranonkala ary ny tanjona namoronana azy.

Mba hialàna amin'ilay fanakianana hoe "mamorona", dia mandika ny lahatsoratra efa misy amin'ny fiteny vahiny aho (araka ny ahitanao azy). Mikasika ny kolontsaina sy ny tantaran'i Madagasikara indray — ankohatra ny Aterineto — dia tsy misy loharano hafa eto am-pelantanako izay azo ifotoran'ny lahatsoratra (afatsy rakibolan'i Rajemisa izay voatrandraka araka ny ahitanao azy any amin'i WB). Noho ny tenako tsy mipetraka any Madagasikara noho ny tsifahitana asa ary noho ny vidin'ilay boky, dia tsy afaka mividy ilay Rakibolana Rakipahalalana aho. Ka raha manana azy ianao, dia mety hanampy antsika eto ny famehezana ny votoatin'izay rakipahalalana izay.

Ireto ary ny hevitro mikasika ny lohahevi-dahatsoratra :

  • Momban'ny anaran-toerana ary anaran-tanàna malagasy dia efa vita io, fa anefa tsy dia ahitana fampahalalana firy eo @ fr.wikipedia na eo @ en.wikipedia. Tsy mbola natomboko ny fizarana mitantara ny tantarany noho ny tsi-fiampiana loharano;
  • Ny olona fanta-daza teo amin'ny tantaran'i Madagasikara ary ny sangan'asam-pamoronana Malagasy, dia atao tsikelikely izy ireo, araka ny loharano hita eo amin'ny aterineto ary ny fotoana ananana (mihakely indrisy) ;
  • Ary ny momban'ny teknolojia vaovao, dia somary sarotra ny famoronana lahatsoratra noho ilay voambolana tsy ampy, ka noho izany tsy dia afaka miditra anaty ny antsipirihany loatra isika sao be teny frantsay/anglisy loatra ilay lahatsoratra ka mety hankarary ny mason'ny sasany. Sahalan'izany koa ny olana mikasika ny lahatsoratra siantifika : tsy ampy ilay voambolana ananan'ny teny malagasy amaritana ny zava-mitranga, kanefa mety ahitana izay voambolana tsy ampy izay ny Rakibolana Rakipahalalana, izay tsy ananako.

Raha araka ny fisehon-javatra amin'izao fotoana izao, dia tsara amintsika mpikambana eto amin'ny wikipedia malagasy ny mifototra any amin'ny Wiki hafa (afatsy ho an'ny lahatsoratra izay miditra anatin'ny antsipirihan'ny kolontsaina sy ny tantaran'i Madagasikara) ; satria izy ireo manana loharano azo atokisana, ary tsindraindray ifotoran'ny mpanao gazety tsotra izao.

Vonona ny hiara-miasa aminao aho, fa aterineto, ary diksioneran'i Rajemisa fotsiny anefa no loharano ananako eto am-pelantanako. Trandrahako izay azo trandrahana anatin'ireo loharano ireo : hanao ny anjara asany ny fahazotoana. Izay ary dia mandrampiresaka :) --grr... | 19 Novambra 2011 à 18:20 (UTC)[répondre]