Dinika:Tantara
Hanampy lohahevitraTantara sy Tantra
[hanova ny fango]Avy amin'ny teny sanskrit tokoa ve ny voambolana hoe Tantara?
Voalohany, ny fanonònana azy: ny voalohany tononina hoe tantàra ary ny faharoa kosa tononina hoe tantirà. Noho izany sarotra ny mampifandray ireo voambolana roa ireo.
Faharoa, raha vao tononina ny "tantra" dia zavatra hafa avy hatrany ny ao an-tsaina fa tsy ho famakafakàna ny zavamisy teo amin'ny fiainam-pirenena na fiainan'ny mponina. Ao anatin'izany ny hoe fampiasan'ny haindò sy ny taoista ary ny bodista ny voambolana ary miompana kokoa amin'ny fomba atao, na fitsipika atao hampakarana ambony ny fiainana ara-panahy na hikajiana ny angovo ankoatra ny fiheverana azy ho fanao rehefa manao firaisam-batana.
Misy ny filazana hoe raha ilay dikanteny tany amboalohany mihitsy no raisina dia hoe norariana miaraka na manao rary na manenona no dikany. Dia manontany hoe misy ifandraisana amin'ny tantara izay iompanana eto ve izany?
Fehiny, sao dia mba teny mifanakaiky fanoratra dia lasa nosamborina ampidirina ato amin'ity lohahevitra tantara ity fotsiny ilay hoe tantra? @Jagwar, mila fanazavana fanampiny angamba ny antony nametrahana azy ao amin'ny lahatsoratra. Jentilisa (resaka) 8 Aprily 2025 à 10:55 (UTC)
- Manao ahoana @AndriamifidisoaZo, tonga soa eto amin'i Wikipedia.
- Raha hamaly ny fanontaniana voalohany dia tsy misy filazana na inona na inona avy amin'ny mpahay teny malagasy na vahiny momba io teny malagasy "tantara" io.
- Zavatra hitako teo amin'ny Wikipedia amin'ny teny frantsay tamin'ny 2010 ilay izy, ary i @Humboldt no nanoratra ilay izy. Marina fa tsy dia nitandrina source be loatra koa aho tamin'izany.
- Azontsika esorina ilay filazana, mandra-pahita source tena nosoratan'ny mpahay teny malagasy momba ilay fiavian'ny teny hoe "tantara".
- Raha ny hevitro manokana indray (fa izaho tsy mpahay teny, azo tsy vakiana :-) ): efa nandinika ihany aho elaela taty aoriana fa hoatra ny tsy nahita lahatsoratra ivelan'i Wikipedia milaza mazava ny fiavian'ny "tantara" aho... Tsy misy resaka momba ny fiavian'ilay teny ao amin'ny Rakibolana Malagasy nosoratan'i Rajemisa izay novidiko tamin'ny 2019... Ka azo atao hoe petrakevitra natsipy fotsiny ilay izy. Raha resaka petrakevitra indray no resahina dia ny teny sanskrity hita amin'ny teny malagasy matetika dia indran-teny ankolaka (teny sanskrity nindramin'ny teny javaney taloha izay nindramin'ny teny malagasy) izany hoe mety miova (miitatra) ny dikany. Amin'ny teny javaney aloha indrindra indrindra, tantra dia mety midika "firazanana"(https://en.wiktionary.org/wiki/tantri#Old_Javanese). — Jagwargrr... mailaka 8 Aprily 2025 à 13:38 (UTC)
- Mankasitraka tamin'ny famaliana haingana dia haingana. Jentilisa (resaka) 8 Aprily 2025 à 14:02 (UTC)
- Niverina aho hiresaka amin'ilay fehezanteninao farany. Lasa mametraka petrakevitra isika fa tsy hoe izay no marina mba fa mba ho eriteretin'ny hafa rehetra. Raha midika ho "firazanana" ny dikan'ny "tantra" amin'ny Javaney tranainy, sady avy amin'ny teny javaney ny ankamaroan'ny teny sanskrity nindramintsika dia azo raisina ilay fivoaran'ny hevitry ny teny satria mpandala firazanana ny malagasy, indrindra talohan'ny fanjanahantany, ary karazan-tetiharana ihany ny tantara... Asa nosintonina avy amin'ny teny hoe tetiharana koa ve ny hoe tantara... mba manontany fotsiny isika eto. Jentilisa (resaka) 17 Septambra 2025 à 07:07 (UTC)