Dinika:Andrianakotrina

Le contenu de la page n’est pas pris en charge dans d’autres langues.
Avy amin'i Wikipedia

Andrianakotrina dia vehivavy ary Andrianakotry na Andrianakotrio no fiantson'ireo taranany azy eny Ambohimahatsinjo. Tany ampihandohany moa dia nenibe Rarondro na Rafotsy Rabodo ihany koa no tena anarany fa noho izy nitondra ny akotry teto Imerina io dia dia niova ho Andrianakotrina.

Eo Tsiandroràna, ambany andrefan'Ambohitsimeloka, izy no milevina ary eo Andozoro, eo ambanin'ny fasany eo ilay tanim-bary nanaovany ny famokarana ny masom-boly avy amin'ireo akotry vitsy mba voahangony tany Betsileo.

Ireo taranany eo Ambohimahatsinjo koa dia mbola miantso azy hoe: Nenibe rasoavary.

Ilay Andriana atao hoe: Andriananandriana milevina eo Ambohimahatsinjo dia tsy mbola fantatra mazava ny momba azy fa raha ny filazan'ireo tarank'Andrianakotrina dia io no reniny.