Hankany amin'ny vontoatiny

Charles Rabemananjara

Avy amin'i Wikipedia

NY MOMBA AZY

[hanova | hanova ny fango]
Rabemanajara Charles
Ankapobeny
AnaranaRabemanajara Charles
Teraka9 jiona 1947
ToeranaAmpatsakana-Antananarivo
Fiaviana sy ny andraikitra
FirenenaMadagasikara
Asa :Praiministra
Fiainana manokana

I Charles Rabemananjara dia teraka ny 9 Jiona 1947 tao Ampatsakana-Antananarivo). Izy dia praiminisitry ny Repoblikan' i Madagasikara izay notendrena tamin' ny 20 janoary 2007.

Ny Jeneraly Charles Rabemananjara dia manambady ary manana zanaka 4. Manana ny mari-boninahitra Jeneraly de corps d'armée izy ao amin'ny Zandarmariam-pirenena, ary nandalina ny fianarana miaramila teto Madagasikara sy tany Frantsa.[1]

Izy koa dia fantatra amin'ny naha Praiminisitry ny Repoblikan'i Madagasikara azy tamin'ny taona 2007 hatramin'ny 2009 tamin'ny vanim-potoanan'ny Filoha Marc Ravalomanana.[2]

TANTARANY

[hanova | hanova ny fango]

Rehefa nanomboka ny asany tao amin'ny tafi-panjakan'ny Zandarmaria izy tamin'ny taona 1970, ny Jeneraly Charles Rabemananjara dia voatendry ho lehiben'ny kômpania tany Antsirabe tamin'ny 1975, ary avy eo ho mpanampy ny Lehiben'ny Zandarmaria tamin'ny faritry Tananarive tamin'ny 1976.

Rehefa nanohy ny asany tao amin'ny Zandarmaria izy dia nifanesy tamin'ireto andraikitra ireto:[3]

  • 1996: Sekretera jeneralin'ny Fiarovam-pirenena eo anivon'ny Praiminisitra.
  • 1998: Tale jeneralin'ny Doany.
  • 2000: Manam-pahaizana manokana momba ny miaramila (Expert Militaire) an'ny OUA tany Kaomoro.
  • 2004: Talen'ny kabinetra miaramila teo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika.
  • 28 Novambra 2005 - 19 Janovary 2007: Minisitry ny Atitany sy ny Fanavaozana ny fitantanana tao amin'ny governemantan'i Jacques Sylla.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. http://fr.travel.allafrica.com/view/people/main/id/077jY9p55XZGfKmM.html
  2. http://fr.travel.allafrica.com/view/people/main/id/077jY9p55XZGfKmM.html
  3. http://fr.travel.allafrica.com/view/people/main/id/077jY9p55XZGfKmM.html