Bôzô (vahoaka)
Apparence
Ny Bôzô dia foko any Afrika Andrefana, monina indrindra any Maly, manamorona ny ony Niger sy Bani sakeli-dranony, indrindra fa any amin' ny hefaka afovoan' i Niger. Mpanjono izy ireo sady heverina ho "tompon' ny ony". Amin' ny ankapobeny dia manaraka ny fivavahana silamo ny Bôzô, saingy mitazona fomban-drazana animista matanjaka. Ny biby tôteman' ny Bôzô dia ny ombilahy, ka ny vatany dia maneho ny ony fa ny tandrony kosa dia maneho ny lakana.