Bronchiolite

Avy amin'i Wikipedia
  

Ny bronchiolite dia aretin-tratra sy ny fisefoana vokatry ny asan'ny viriosy.

Ny lasibatra[hanova | hanova ny fango]

Ny zaza menavava sy ny ankizy madinika no tena tratrany amin'ny ririnina. Ny tena lasibatra dia ireo zaza miara-tezaina amin'ny toerana iray toy ny eny amin'ny akany (crèche), satria mifindra ny aretina.

Soritr'aretina[hanova | hanova ny fango]

Ireto no mety ho fiantraikany amin'ny zaza :

  • tazo tsy dia mahery vaika loatra, mari-pana manodidina ny 38 °C
  • lelo tsy mety afaka
  • ary indrindra indrindra fahasarotan'ny fisefoana : fisefoana haingana, sahirana, misioka ary arahin-kohaka;

Ireto fambara na fepetra ireto dia mety hitaky fanatonana mpitsabo faran'izay haingana :

  • zaza mbola menavava (latsaky ny 3 volana)
  • fahasemporana
  • fahatsembohana, mangana (vokatry ny tsy fahampian'ny oksizena)
  • fitepon'ny fo haingana loatra
  • olana ara-tsaina : fahatoranana, fadisadisana

Fitsaboana[hanova | hanova ny fango]

  • Ankehitriny dia ny fanorana ny taovam-pisefoana (kinésithérapie respiratoire) no fitsaboana mahomby indrindra, noho izy ahafahana manosika ny soritr'aretina mandra-pihafan'ny aretina.
  • Mila fanaraha-maso akaiky ny zaza, indrindra ny fisefoany.
  • Tsy tokony homena sirop ody kohaka na fanafody mampihena ny fanaintainana ny zaza !
  • Maro ny mpitsabo no mitsikera mafy ny fanafody mampisokatra ny bronche

Ary raha miverina matetika ny aretina ?[hanova | hanova ny fango]

Mila karohina ny aretina hafa mety ho antony, amin'ny alàlan'ny fitiliana atao arakaraky ny fitrangan'ny aretina :

  • fandoavana
  • rora marihitra
  • fihenan'ny hery fiarovana
  • aretin'ny ORL miverina matetika
  • tsy fahazakana zavatra (sakafo, rivotra, fofona, ...)
  • tiberkilaozy
  • Olana eo amin'ny fitelemana.

Matetika anefa dia tsy hita ny tena antony fototra mahatonga ny aretina, fa ny fifangaroana amin'ny ankizy maro no tena mahatonga ny bronchiolite hiverimberina.

Fihombon'ny aretina[hanova | hanova ny fango]

Eny amin'ny hôpitaly dia antsoina hoe andiany (épisode) voalohany ny aretina raha vao voalohany no itrangany amin'ny zaza, dia mety hiditra andiany faharoa na fahatelo izy. Izany dia midika fa mety hiverimberina ny bronchiolite fa tsy ho afaka tanteraka. Anterina ny filàna fanaraha-maso akaiky ny fahasalamany, indrindra raha mbola misy fepetra ahiana hamporisika ny aretina, toy ny toetr'andro ratsy na ny fiaraha-miaina amin'ny zaza hafa mety ho voa. Raha ratsy tsabo ny bronchiolite, na raha tonga amin'ny andiany fahatelo dia mety hivadika ho sohika mihitsy. Tokony ho sitrana alohan'ny faha-roa taonan'ny zaza izy, na raha tsy izany dia alohan'ny faha-enin-taonany na hitaiza azy mandrakizay.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]