Aller au contenu

Borosô (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy borosô.

Ny Borosô dia vahoaka any amin' ny lohasaha ny renirano Hunza, any amin' ny tapany avaratr' i Pakistàna, miisa 80 000 eo ho eo. Mozimana ismaily ny ankamaroany ary miteny borosasky. Ny ankamaroan' izy ireo dia mivelona amin' ny fambolena. Antsoina koa hoe Borosa ​​na Honzakotsy koa izy ireo.

Ny mpahay teny sasany dia mahita fiaviana iraisana eo amin' ny fiteny borosasky sy ny fiteny baska. Ny kisary hazom-pototarazo natao avy amin' ny asan' ilay Pakistaney mpahay fototarazo Qasim Mehdi dia mampiseho fa ny Baska dia akaiky kokoa ny Borosô raha oharina amin' ny vahoaka efatra hafa ao Pakistàna izay nodinihin' ity farany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]