Boà (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Saron-tava boà

Ny Boà dia foko any Borkina Fasô sy any Maly izay misy mponina miisa eo amin' ny 300.000, ka ny 175 000 ao Borkina Fasô fa ny 125 000 any Maly. Miaina anaty vondrom-piarahamonina maromaro ny Boà. Tsy manana foibem-pitondrana iraisaa izy ireo fa miantehitra amin' ny fenitry ny fiarahamonina misy azy. Malaza indrindra amin' ny fametrahana olatra amin' ny tava sy amin' ny fananana saron-tava amin' ny ravina sy hazo fisaka izy ireo. Atao hoe Baboa, Bôbô Ôle, Boamo na Boaoa koa izy ireo.

Fivavahana[hanova | hanova ny fango]

Ny ankamaroan' ny Boà (85 %) dia manaraka ny fivavahan-drazana afrikana, ka ny andriamanitra Do no ivavahany, izay aseho manokana amin' ny alalan' ny saron-tava ampiasaina mandritra ny lanonana. Ny Kristiana dia zara raha 10 % ary ny Miozolmana dia 5 %.