Behafaridiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny behafaridiana dia ireo mpanaraka ny fampianaran' i Behāfarīd, izay mpivadi-pinoana zôrôastriana persiana tamin' ny taonjato faha-8, izay nitarika ny fikomiana ara-pivavahana nataon' ny tantsaha nampifangaro singa avy amin' ny zôrôastrisma sy ny silamo. Nino an' i Zaratostra i Behāfarīd ary nanohana ny andrim-pivavahana zôrôastriana rehetra. Ny mpanara-dia azy dia nivavaka impito isan' andro mitodika amin' ny masoandro, nandrara ny zavatra mahamamo sy mahadomelina, ary nihazona ny volony ho lava sy tsy namela ny fanaovana sorona omby raha tsy rehefa lany izy ireo. Nosakanana sy nofaizin' ny jeneraly abasida Abu Muslim ny fikomiany, ary novonoina nahantona izy. Nino anefa ny mpanara-dia azy fa hidina indray izy. Nanatevin-daharana ny hetsika notarihin' i Ustadh Sis ny sasany tamin' ireo mpanaraka azy[1].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. I Ustadh Sis dia mpikomy persiana ary mpitarika mpikomy manohitra ny Arabo, izay nilaza fa mpaminanin' Andriamanitra tany amin' ny sisin-tany atsinanan' i Khorasan.