Atenagôrasy I

Avy amin'i Wikipedia
Ny patriarka Atenagôrasy

I Atenagôrasy I dia patriarka ekiomenikan' i Kônstinôpla faha-268 tamin' ny 1 Nôvambra 1948 ka hatramin' ny 7 Jolay 1972. Arsevekan' ny Arsidiôsezy Ôrtôdôksa Grikan' i Amerika Avaratra sy Atsimo izy tamin' ny taona 1930 hatramin' ny 1948. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Αθηναγόρας Α' / Athênagoras I, fa amin'ny teny tiorka kosa dia Ekümenik Patrik Atinagoras. Aristocles Matthaiou Spyrou (grika: Αριστοκλής Ματθαίου Σπύρου / Aristoklês Mathaiou Spurou) no anarany raha vao teraka tao Vasilikón, akaikin' i Ioánnina, ao amin' ny faritra Epirôsy any Grisia, tamin' ny 25 Marsa 1886. Maty tao Istanbul izy tamin' ny 7 Jolay 1972.