Asaluyeh

Avy amin'i Wikipedia

27°28′34″N 52°36′27″E / 27.4761111111°N 52.6075°E / 27.4761111111; 52.6075

Asaluyeh
Velarantany NC
Isam-ponina 4 746 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna NC
Firenena  Iran
Faritany Bushehr
Faritra NC
Pars Special Energy Economic Zone

I Asaluyeh (persana: عسلويه, fantatra ihany koa amin' ny hoe Asalu, ary indraindray atao hoe Bandar, midika hoe "seranan-tsambo") dia tanàna any atsimo amin' i Iràna, renivohitry ny distrikan' i Asaluyeh, ao amin' ny faritanin' i Bushehr, eo amoron’ ny Hoala Persika, 270 km eo ho eo atsimo-atsinan’ i Bushehr renivohitry ilay faritany. Ny isan’ ny mponiny dia 4 746 araka ny faminavinana natao tamin' ny taona 2006, ary fianakaviana miisa 875. Tsy dia misy dikany loatra ilay tanàna, na dia fanao mahazatra aza ny miantso ny Pars Special Energy Economic Zone (PSEEZ) (naorina tamin' ny taona 1998) sy io tanàna io hoe Asaluyeh.

I Asaluyeh no nofidina ho toerana misy ny PSEEZ noho izy io akaiky indrindra ny toeram-pamokarana entona voajanahary lehibe indrindra eran-tany, ny South Pars. Fanampin' izany, efa nisy ny seranam-piaramanidina nitarina tamin' ny taona 2003, sy ny fidirana mivantana amin' ny rano iraisam-pirenena amin' ny alàlan' ny seranana an-drano lalina.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Ny laharam-pehintaniny ary ny laharan-jarahasiny dia 27.4761111111° Avaratra ary 52.6075° Atsinanana. Ny faritr' ora dia GMT+3:30.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

  • : Sehatra ofisialy