Arthur Z'ahidi Ngoma

Avy amin'i Wikipedia

I Arthur Z'ahidi Ngoma dia mpanao pôlitika kôngoley, teraka tamin' ny 18 Septambra 1947 tao Kalima, faritanin' i Maniema ary maty tamin' ny 5 Ôktôbra 2016 tao Paris. Izy dia iray tamin' ny filoha lefitra efatra nandritra ny vanim-potoana tetezamita tao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô niandraikitra ny Vaomiera ara-tSôsialy sy ara-Kolontsaina (Commission sociale et culturelle) tamin' ny taona 2003 hatramin' ny 2007. Nanao fianianana izy tamin' ny 17 Jolay 2003 ary niala tamin' ny asany tamin' ny Desambra 2006.

Mpampianatra teny amin' ny oniversite izy taloha ary tao amin' ny Fikambanana misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina ao amin' ny Firenena Mikambana (United Nations Educational, Scientific and Cultural Organization -- UNESCO). Naiditra am-ponja izy tamin' ny taona 1997 ary avy eo natao sesitany nandritra ny fotoana fohy. Izy no nitarika ny Rassemblement Congolais pour la Démocratie (RCD), saingy nandao izany tamin' ny taona 1999. Nirotsaka ho filohan' i Kôngô izy tamin' ny taona 2006, ka nahazo vato 0,34 %. Maty tany Paris izy tamin' ny faha-69 taonany tamin' ny taona 2016.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]