Anténor Firmin

Avy amin'i Wikipedia
Joseph Auguste Anténor Firmin

I Anténor Firmin na Joseph Auguste Anténor Firmin dia mpisolovava, filôzôfa, antrôpôlôga mpisava lalana, mpanao gazety ary mpanao pôlitika haitiana, teraka tamin' ny 18 Ôktôbra 1850 ary maty tamin' ny 19 Septambra 1911. I Firmin dia malaza noho ny bokiny De l'égalité des races humaines ("Ny amin' ny tsy fitovian' ny firazanan' ny olombelona"), izay nivoaka tamin' ny taona 1885 ho fanoherana ny asasoratry ny mpanoratra frantsay Count Arthur de Gobineau mitondra ny lohateny hoe Essai sur l'inégalité des races humaines ("Andrana momba ny tsy fitovian' ny firazanan' ny olombelona"). Ny bokin' i Gobineau dia nanamafy ny maha ambony ny Ariàna sy ny maha ambany ny Mainty hoditra sy ny olona hafa volon-koditra. Mifanohitra amin' izany kosa no nambaran' ny bokin' i Firmin, fa "ny olona rehetra dia nomena toetra tsara mitovy sy kilema mitovy, tsy misy fanavahana volon-koditra na endrika ara-batana. Mitovy ny firazanana rehetra". Nailika izy tamin’ izany, noho ny finoany fa mitovy avokoa ny taranak' olombelona.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]