Anjara (finoana)

Avy amin'i Wikipedia

Ny anjara, amin' ny finoan-drazana malagasy, dia zavatra soa na ratsy inoana ho avy amin' Andriamanitra na avy amin' ny vintana, tsy azo ihodivirana, tsy ananan' ny olona fahefana, sady lehibe, izay mety ho tsara na ratsy (toy ny loza, ny fahafatesana, sns), nefa azo hatsaraina amin' ny alalan' ny ezaka sy ny finiavana. Mifandray ny anjara sy ny vintana ary ny lahatra, ka izany no ahenoana ny hoe "anjara vintana". Samy manana ny anjarany avy amin' i Zanahary ny olona na ny vondron' olona tsirairay.

Ohabolana momba ny anjara[hanova | hanova ny fango]

  • Andevolahy diso vozon-kena: aleony maty toy izay very anjara.
  • Andevolahy mielo, ka manampina ny anjara-masoandrony.
  • Anjaran'ny mpanan-karena ny milamin-tokantrano, fa tsy mba anay malahelo.
  • Bingo manao matso ka misalovana ny anjaran' ny sasany.
  • Manana anjara ratsy, toy ny fantaka: manompo, vao vaky loha.
  • Manana anjara ratsy, toy ny fantaka: manompo, vao vaky loha.
  • Onony ny alahelo fa anjara omen' Andriamanitra izao, fa tsy misy tsy ho any tsy akory.
  • Tanalalahy misarotro mainandro: manakona ny anjara-masoandron’ ny tena.
  • Tovolahy manambady antitra, ka ny loa-bary no hianteherana; fa atositosika, toa renibe; avela ihany, anjara vadin' ny tena, ka izay voky matanjaka.
  • Tsy mandidy alohan' Andriamanitra aho, fa izay zara-vintana lolohavina.
  • Tsy misy nivavaka niankandrefana, fa samy nianavaratra ihany; fa ny harena mila vintana, ka raha tsy anjara, tsy tonga.
  • Vantotr' akoho eo an-tanan-tompony, sy vorombazaha raisina amin' ny tendany, ka samia mahazaka ny anjarany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]