Anglo-Persian Oil Company

Avy amin'i Wikipedia

Ny Anglo-Persian Oil Company (na APOC) dia niorina tamin' ny taona 1909 taorian' ny nahitana sahan-tsolitany lehibe tao Masjed Soleiman, tany Persia (na Iràna) tamin' ny 26 May 1908. Io no orinasa voalohany nirtandraka ny tahirin-tsolitany avy any Atsinanana Afovoany.

Ny governemanta britanika dia nividy ny 51 % amin' ny orinasa tamin' ny 1914, nahazoany ny fandraisana anjara ahafahany mifehy, ary nahatanteraka ny fanaovana ho fananam-pirenena an' ilay orinasa.

Ny APOC dia nanao fifanarahana vaovao tamin' i Iràna tamin' ny taona 1933 ary nomena anarana hoe Anglo-Iranian Oil Company (AIOC) tamin' ny taona 1935 - lasa natsoina hoe Iràna i Persia tamin' io taona io, rehefa nangataka tamin' ny firenena vahiny i Reza Shah Pahlavi mba hiantso an' i Persia amin' ny anarana hoe Iràna.

Ny governemantan' i Mohammad Mosaddegh dia nanao ho fananam-pirenena ny fotodrafitrasa ao an-toerana ary nanome anarana an' ilay orinasa hoe National Iranian Oil Company (NIOC). Tamin' ny taona 1954, taorian' ny hetsika nasiônalista sy ny fifanaraham-piaraha-miasa amin' ny NIOC, ny orinasa dia lasa British Petroleum Company (BP).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]