Amesha spenta

Avy amin'i Wikipedia

Ny Amesha Spenta dia zava-manana aina fito avy amin' ny andriamanitra Ahura Mazda sady manodidina azy, dia ilay andriamanitra avo indrindra ao amin' ny fivavahana zôrôastriana. Fanahy mahasoa izy ireo sady maneho ny toetr' Andriamanitra sy ny olombelona, ary azo adika hoe "arkanjely".

Zanakalahin' i Ahura Mazda ny telo voalohany amin' izy ireo (i Vohu Manah sy i  Asha Vahishta ary i Xshathra Vairya), fa i Haurvatât sy i Ameretât kosa dia fanomezana nozarain' i Ahura Mazda; ary asan' olombelona miaraka amin' ny fanampian' i Ahura Mazda i Spenta Armaiti.

Ny andian-teny hoe Amesha Spenta dia azo adika hoe "Masina tsy mety maty" na "Mpanao soa tsy mety maty". Taty aoriana, ny fiovaovan' io andian-teny io ao amin’ny fiteny persianan’ ny Andro Antenatenany dia ahitana ny hoe Ameshaspand sy ny hoe Mahraspand na Amahraspand izay an’ny zôrôastrianisma manokana.

Izao ny lisitry ny Amesha Spenta fito:

  • i Spenta Mainyu ("Fanahy malala-tanana"), izay tsy izay fa i Ahura Mazda ihany;
  • i Asha Vahishta ("Fahamarinana faratampony"),
  • i Vohu Mano na Vohu Manah ("Eritreritra Mahitsy"),
  • i Khshathra Vairya na Xshathra Vairya ("Fahefana Irina / Irariana"),
  • i Spenta Armaiti ("Fanoloran-tena masina"),
  • i Haurvatat ("Fahatongalafatra na Fahasalamana"),
  • ary i Ameretat ("Tsy feteza-maty").

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]