Ambohitrano Andrefana

Avy amin'i Wikipedia

Andriambolanambo, zanak’ anabavin’ Andriamasinavalona, mpanjaka, no andriana tompom-bodivona tao Namehana, nanambady an-dRamanitrandriatsimitovy na Rasoherinareniny (vavimatoan-dRanavalontsimitoviaminandriana) ka niteraka an-dRasoherimanantany, izay lasa vadin’ ny mpanjaka Andriambelomasina tao Ambohimanga. Efa nanambady an’ Andrianonihafa i Rasoherina vao nalain’ Andriambelomasina ho vady, ka hoy Andrianonihafa nionona : « …Raha alainao, mahatrarantitra anao ! » .

Ary Andrianonihafa tsy tamana intsony tao Namehana, fa be voalavo sy bibilava tompon-drano tao ka nifindra nankeny Ambohidrano, alatsinanan’ Ambatofotsy - Zanadralambo izy ka tany izy no niteraka ny zanany atao hoe Andriantokanamantany, andriana fiavin’ ny andriamasinavalona sasany ao Ambohidrano. Misy lovantsofina milaza fa tao Mahatsinjo, avaratr’ Ambatofotsy izy no nitoetra ary ny menakeliny no tao Ambohidrano; nefa hoy Andriambelomasina:

« Aiza no ianareo andriamasinavalona indray no hibaby ny menakely fa aoka ianareo hiantsinana eo Ambohidrano ary izy hiakandrefana eo Mahatsinjo ! ».

Izany hono no nahatonga ny fasan’ Andriantokanamantany ho ao Mahatsinjo. Antanantsara, avaratr’ Ambohimanga nomena ho menakelin’ Ambohidrano koa ho fanampin’ i Mahatsinjo.