Aller au contenu

Amboarampeon' ny Tabernakely

Avy amin'i Wikipedia
Amboarampeon' ny Tabernakely

Ny Amboarampeon' ny Tabernakely ao Temple Square dia amboarampeo any Etazonia izay mikambana amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany. Amin' ny teny anglisy izy dia atao hoe The Tabernacle Choir at Temple Square sady fantatra teo aloha amin' ny anarana hoe Mormon Tabernacle Choir. Nanao fampisehoana tao amin' ny Tabernakelin' i Salt Lake (anglisy: Salt Lake Tabernacle) nandritra ny 100 taona mahery izy io. Ny fandaharana fampaherezam-panahy isan-kerinandro, atao hoe Music & the Spoken Word, dia anisan' ny fandaharana an' onjam-peo naharitra ela indrindra eran-tany, nalefa isan-kerinandro nanomboka tamin' ny 15 Jolay 1929. Mandray anjara amin' ny fampielezam-peo amin' ny fahitalavitra, amin' ny fandraisam-peo, amin' ny horonan-tsary maromaro ary manao fitetezam-paritra ao Etazonia sy any ivelany ity antoko mpihira ity. Misy fandaharana mivantana mandritra ny antsasak' adiny isan-kerinandro ao amin' ny Tabernakelin' i Salt Lake City.

Niorina tamin’ ny 22 Aogositra 1847 ity amboarampeo ity, fotoana fohy taorian' ny nidiran' ny mpisava lalana môrmôna tao amin' ny Lohasahan' i Salt Lake. Ireo izay mikasa hiditra ho mpihira ao dia tsy maintsy mpikambana ao amin' ny Fiangonan' ny Olomasin' ny Andro Farany izay mendrika ny hahazo fahazoan-dalana hanompo ao amin' ny tempoly, sady eo anelanelan' ny 25 sy 55 taona eo am-piandohan' ny fanompoana ao amin' ilay amboarampeo, ary mipetraka ao anatin' ny 160 km miala ny Temple Square.

Ny mpihira sy ny mpitendry zavamaneno ao amin' ny Amboarampeon' ny Tabernakely

Iray amin' ny amboarampeo malaza indrindra eran-tany ny Amboarampeon' ny Tabernakely. Natao fampisehoana voalohany ho an' ny filoham-pirenena amerikanina izy io tamin' ny taona 1911, ary niseho tao amin' ny fitokanana ny filoha Lyndon B. Johnson (1965), Richard Nixon (1969), Ronald Reagan (1981), George H. W. Bush (1989), George W. Bush (1989). 2001), ary Donald Trump (2017).

Mpihira 360 no mandrafitra azy ary matetika miaraka amin' ny Organ' ny Tabernakely, izay misy fantsom-peo 11 623, sy ny Ôrkesitran' ny Temple Square, izay misy mpitendry zavamaneno miisa 110.