Alida (dinastia)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Alida dia ireo izay milaza fa taranaka avy amin' ny kalifa silamo sy imam Ali ibn Abi Talib, zanak' olo-mpiray tam-po, vinantolahin' ny mpaminany silamo Mohamady, tamin' ny vadiny rehetra. Ny sampana lehibe amin’ io dinastia io dia ny Asrafita (anisan' izany ny Hasanida, ny Hosainida na Hoseinida ary ny Zainabida), ary ny Alaoida.

Ny Sonita voalohany indrindra ao amin' ny Tontolo Arabo dia mitahiry ny teny hoe sharif na "sherif" ho an' ny taranak' i Hasan ibn Ali, fa ny hoe sayyid kosa dia ampiasaina ho an' ny taranak' i Husayn ibn Ali. Samy zafikelin' i Mohamady i Hasan sy i Husayn, tamin' ny fanambadian' i Ali, zanak' olo-mpiray tam-po aminy, sy ny zanany vavy Fatimah. Na izany aza, hatramin' ny nanombohan' ny vanim-potoana taorian' ny Hasemita, ny teny hoe sayyid dia nampiasaina mba hilazana ny Hasan sy ny an’ i Husayn. Ny Siita arabo dia mampiasa ny teny hoe sayyid sy habib mba hilazana ny taranak' i Hasan sy ny an’ i Husayn.

Ny tarana-mpanjaka sasany dia Alida nefa tsy taranaka avy Mohamady (ankolaka), toy ny taranak' i Muhammad Ibn Al Hanafiyah, zanak' i Ali amin' i Al Hanifiyyah.