Aleksandro II (hasmôneana)

Avy amin'i Wikipedia

I Aleksandro II dia andriana tao amin' ny tarana-mpanjaka Hasmôneana. Zanakalahin’ i Aristôbolo II izy ary vadin’ i Alexandra Hasmôneana, zanak’ olo-mpiray tam-po aminy. Ny zanak’ izy ireo dia i Aristôbolo III sy i Miriama Hasmôneana, iray amin’ ireo vadin’ i Herôda Lehibe.

Nosamborin’ i Pômpeio izy, ka afaka nandositra sy niverina tany Jodea, izay nitarihany fikomiana tamin’ i Hirkano II. Maty notapahin-doha tany Antiôkia izy tamin’ ny taona 49 tal. J.K.