Aisne

Avy amin'i Wikipedia
Fisian'ny departemantan'i Aisne (miloko mena)

Ny departemantan'i Aisne (fanononana amin'ny teny frantsay: [ɛːn]) dia departemanta frantsay any avaratra atsinanan'i Paris. Ny anarana Aisne dia avy amin'ny renirano mitovy anarana miampita ilay departemanta. Ao amin'ny faritra Picardie no misy azy. Ny koady omen'ny Insee sy ny la Poste azy dia 02. Ireo departemanta mamaritra azy dia ny departemantan'i Nord, Somme, Oise, Seine-et-Marne, Marne ary i Adrennes, ary i Belzika. Ireo tanàna lehibe ao Aisne dia i Laon (prefektiora), Saint-Quentin, Soissons, Château-Thierry, La Fère ary Vervins.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.