Adrar des Ifoghas

Avy amin'i Wikipedia
Lempona itobian-drano ao akaikin' i Oubankort ao amin' ny tendrombohita Adrar des Ifoghas.

Ny Adrar des Ifoghas na koa Adagh dia tandavan-tendrombohitra any avaratra-atsinanan' i Malỳ sy any atsimon' i Alzeria. Iray amin' ireo tandavan-tendrombohitra lehibe indrindra any Sahara izy io, miaraka amin' i Aïr, i Hoggar ary i Tibesti. Ny toerana avo indrindra dia ny Tendrombohitra Essali izay mahatratra 890 m ny haavony. Atao hoe ⴰⴷⵗⴰⵗ ⵏ ⵉⵊⵓⵗⴰⵙ / Adagh-n-Ifoghas "tendrombohitry ny Ifoghas" amin' ny toarega, , amin' ny abidy tifinaga. I Adrar des Ifoghas no faritra avaratra indrindra amin' ny faritr' i Sahel izay mifanitsy amin' ny faritra Sahara manontolo manomboka amin' ny ony Niger ka hatrany amin' ny sisin-tanin' i Alzeria.