Aller au contenu

Absarôka

Avy amin'i Wikipedia
Absarôka

Ny Absarôka na Absalooka dia vahoaka teratanin' i Amerika (amerindiana) niaina tao amin' ny lohasahan' ny renirano Yellowstone, izay nafindran' ny governemantan' i Etazonia any anatin' ny tahiry (Reservation) ao atsimon' i Billings (any Montana). Ny renivohitra ara-pôlitikan' ny Absarôka dia any Crow Agency (Montana). Ity vahoaa ity dia mandray fety isan-taona ahitana pow-wow, rodeo sns; izany no atao hoe dia ny Crow Fair izay atao isan-taona ao amin' ny Crow Agency ny volana Aogositra.

Jeôgrafia[hanova | hanova ny fango]

Crow Indian Reservation

Ny Crow Indian Reservation any amin' ny tapany atsimo sy afovoan' i Montana dia fitahirizana olon lehibe mirefy 7 300 km2 mahery. Any amin' ny kôntean' i Big Horn sy ny kôntean' i Yellowstone no ary koa ao amin' ny ny tany nampindramina ao amin' ny kôntean' i Rosebud sy ny kôntean' i Carbon ary ny kôntean' i Treasure. Ny sisin-tany atsinanana dia eo amin' ny meridiana faha-107 andrefana, afa-tsy eo amin' ny sisin-tany misy ny Northern Cheyenne Indian Reservation: raha ny marina, ny famaritana ny sisin-tany eo anelanelan' ireo reservations indiana roa ireo dia efa ela sy tsy mazava. Ny sisin-tany atsimo dia manomboka amin' ny meridiana faha-107 andrefana ka hatrany amin' ny morony atsinanan' ny renirano Bighorn.

Ny toeram-ponenany[hanova | hanova ny fango]

Tipi

Monina anaty trano atao hoe tipi ny Absarôka, trano vita amin' ny hoditry ny karazan' omby atao hoe bison sy tsato-kazo. Tao anatiny dia misy kidoro eo amin' ny sisin' ny trano fialofany, ary misy afo eo afovoany, izay nivoaka amin' ny lavaka eo an-tampon' ny tipi ny setroka.

Fitafiana[hanova | hanova ny fango]

Ny fomba fiakanjon' ny Absarôka dia miankina amin' ny maha lahy na vavy. Manao akanjo tsotra ny vehivavy, satria nandany ny ankamaroan' ny fotoana eo akaikin' ny tipi. Manao akanjo lava vita amin' ny hoditr' ondry na hoditra serfa, voaravaka nifin' ny ôrinaly, izy ireo. Manao saron-dranjo sy kitraro hoditra iva izy ireo. Ny vehivavy absarôka dia nanao volo fohy fa tsy toy ny lehilahy. Ny lehilahy dia manao lobaka, saron-dranjo voahazona amin' ny fehikibo, akanjo lava, ary kiraro hodidra iva. Lava ny volon' izy ireo, ary nasiana kojakoja indraindray.