Hankany amin'ny vontoatiny

Abôrijinan' i Aostralia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Aborijina ny Aostralia)
Abôrijina mandihy

Ny Abôrijinan' i Aostralia na Tompon-tanin' i Aostralia dia vahoaka ao Aostralia izay efa nonina tao talohan' ny fahatongavan' ny Eorôpeanina. Izy ireo no vahoaka fantatra voalohany nanorim-ponenana tany Aostralia ary ekena ho iray amin' ireo vahoaka tompo-tany roa ao Aostralia, manampy ny mponin' ny nosin' ny Andilan-dranomasin' i Torres. Ny kolontsain' izy ireo, izay efa an' alina taona maro, no anisan' ny tranainy indrindra eran-tany.

Olona any Bathrust Island

Ny fahatongavan' ny Eorôpeana tao amin' ilay kôntinanta tamin' ny taona 1788 dia nisy vokany lehibe ho an' ny Abôrijinina: nihena be ny isan' izy ireo taorian' ny fifandonana sy ny fandripahana ary ny aretina tsy fantatra nentin' ny Britanika avy any Eorôpa. Izany dia niteraka fihenana eo amin' ny isan' ny mponina sy ara-tsôsialy ary ara-toekarena. Nanomboka tamin' ny taompolo 1960 dia nomena azy ireo tsikelikely ny zo hifidy sy ny zom-pirenena aostraliana ary avy eo ny zo hirotsaka ho solombavambahoaka eny ifotony ary naverina amin' izy ireo ny tanindrazany sasany nanomboka tamin’ ny 1976 sady nitombo ny isan' izy ireo.

Na izany aza dia mijanona eo ivelan' ny fampandrosoana an' i Aostralia izy ireo ary tsy mbola misitraka tombontsoa sasany.

Fepetra ara-dalàna maha Abôrijina

[hanova | hanova ny fango]

Amin' ny Aostralianina, ny olona iray dia Abôrijina:

  • raha olona manana razana abôrijina;
  • raha olona miteny abôrijina;
  • raha miaiky fa Abôrijina.

Tsy maintsy tokony feno ireo fepetra telo ireo; amin' ny heviny ôfisialy dia Abôrijina ianao na tsia; ny lokon' ny hoditra dia tsy fepetra satria misy Abôrijina manana volon-koditra fotsy faha abôrijina anefa izy, io heviny io koa izy rehefa miresaka momba ny tera-tanin' ny Andilan-dranomasin' i Torres.

Tonga avy any amin' ireo nosy Indônezianina ny Abôrijina nitaingina sambo sambo; i Ôseania (Aostralia sy Ginea-Vao) tsy niraikitra tamin' i Azia mihitsy; misy hevitra maromaro ny amin' io zavatra io:

  • Mety tonga tany Aostralia avy eo amin' ny nosy Timôro Atsinanana izy ireo 40 000 taona lasa izay;
  • Mety tonga tany Aostralia izy ireo tamin' ny mbola tsy nisy ranomasina nanasaraka an' i Aostralia amin' i Ginea Vaovao.

Tsy ireo irery ny rijan-kevitra nisy, ary mety koa raha nisy topa-mponina avy (nendeha an-tsambo na nadeha tongotra).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Momban'ny topa-ponina

[hanova | hanova ny fango]
  • Triumph of the Nomads: A History of Aboriginal Australia, natanon'i Geoffrey Blainey 1993 [1976], (ISBN 0-87951-084-6)
  • Australian Dreaming: 40,000 Years of Aboriginal History, nataon'i Jennifer Isaacs 2005, (ISBN 1741102588)
  • Norman B. Tindale, Aboriginal Tribes of Australia: Their Terrain, Environmental Controls, Distribution, Limits and Proper Names, juin 1974
  • Barbara Glowczewski, Rêves en colère avec les Aborigènes australiens, Paris, Plon, 2004