Abdoulaye Wade

Avy amin'i Wikipedia
Abdoulaye Wade

I Abdoulaye Wade dia mpanao pôlitika senegaley, teraka ny 29 Mey 1926 tao Kébémer, mpitarika ny antoko Parti Démocratique Sénégalais (PDS), kandidà tamin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 1978, 1983, 1988 ary 1993, ary filohan' ny Repoblikan' i Senegaly nanomboka tamin' ny 1 Avrily 2000 hatramin' ny 2 Avrily 2012.

Nandritra ny fe-potoam-piasany voalohany dia nanitsy ny lalàm-panorenana izy ary nametraka fe-potoam-piasana dimy taona tamin' ny 2001. Voafidy indray nandritra ny dimy taona tamin' ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin' ny taona 2007, namerina ny fe-potoam-piasana fito taona izy tamin' ny 2008. Tamin' ny fifidianana filoham-pirenena 2012 izy no resin' ny praiminisitrany teo aloha, i Macky Sall, izay nandimby azy.

Tompon-daka izy amin' ny fandraisana anjara amin' ny fifidianana filoham-pirenena nifanesy imbetsaka amin' ny naha-impito azy nirotsaka ho filohan' ny fireneny.