Sam Malin

Avy amin'i Wikipedia

I Sam Malin (teraka tamin' ny 29 Septambra 1963), tera-tany kanadiana, dia lehiben' orinasa mipetraka eto Madagasikara, tale jeneralin' ny Madagascar Oil, orinasa mpikaroka sy mpamokatra solitany sy etona fandrehitra, mifantoka indrindra amin' ny fitrandrahana ny fihandronan-tsolika "mavesatra" ambanin' ny tany (Bemolanga sy Tsimiroro) ary koa amin' ny fandinihana ny tetikasa momba ny solitany tsy voadio sy ny etona fandrehitra mihandrona ambanin’ny tany eto Madagasikara.

Tamin' ny taona 1994 i Malin no niasa voalohany teto Madagasikara. Io taona io no nanorenany ny orinasa Madagascar Oil niaraka tamin' i Robert Nelson, Michael Smith ary Alan Bond (mpandresy tamin' ny fifaninanana an-tsambo lay "Coupe de l'America" tamin' ny taona 1983). Taorian' ny nahazoany ny mari-pahaizana momba ny jeôfizika tao amin' ny Oniversiten' i Queens any Kanada, dia niditra niasa tao amin' ny orinasa Dome Petroleum izy amin' ny maha jeôfizisiana azy.

Nanaraka fiofanana ambony tao amin' ny Oniversiten' i Cambridge any Angletera izy avy eo, talohan' ny niarahany niasa tamin' ny "Arthur D. Little" izay fitambarana consultants iraisam-pirenena ary izany dia tao amin' ny biraon-drizareo ao Londres. Nifantoka tamin' ny tetikasa ara-toekarena momba ny solitany sy ny etona fandrehitra ary ny fifampiraharahana momba ny fizaràna ny vokatra ny asany tamin' izany. Hatramin' izay dia tompon' andraikitry ny faminavinàna ny mety ho vidin' ny solitany ao anatin' ny fotoana fohy tao amin' ny Standard & Poor's DRI i Malin. Efa nanatanteraka asa maro teo anivon' ny indostrian' ny solitany sy etona fandrehitra koa izy, ary tao anatin' izany ny sehatry ny filàn-kevitra sy fanadihadiana ho an' ireo fandaharan' asan' ny Vondrona Eorôpeana.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fanovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]