Madagascar Oil

Avy amin'i Wikipedia

Madagascar Oil SA (sampan' ny Madagascar Oil Limited, Bermuda) dia orinasa malagasy momba ny solitany miasa manokana ao amin' ny fikarohana sy ny fitrandrahana ary ny fampiasana ny solitany. Izy no orinasa momba ny solitany "an-tanety" voalohany eto Madagasikara eo amin' ny lafiny akoran-tsolitany azo trandrahana sy velaran-tany amin' ny kilômetatra toradroa. Ao anatin' ny velaran-tany azony trandrahana no misy ireo fihandronan-tsolitany "mavesatra" ao Tsimiroro sy Bemolanga (hita tany amin' ny taona 1850 tany ho any). I Sam Malin sy i Robert Nelson ary i Alan Bond, mpandraharaha ara-toekarena aostraliana no mpanorina azy.

Fanovozan-kevitra[hanova | hanova ny fango]