Sakoa

Avy amin'i Wikipedia
Fitrandrahana arintany ao Sakoa

I Sakoa dia faritra ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Madagasikara, ahitana ala maina misy tsilo ary malaza indrindra amin' ny fisian' ny arintany, ny sahan' arintanin' i Sakoa no tsara indrindra amin' izany. Maromaro ny orinasa nahazo fahazoan-dalana hitrandraka ao amin' io toerana io.

Mpitrandraka[hanova | hanova ny fango]

Ny ankabeazan' ny taratasy fahazoa-mitrandraka amin' ny sehatra ara-barora dia eo am-pelan-tanan' ny orinasa Madagascar Consolidated Mining, sampan' ny Red Island Minerals, naorin' i Sam Malin, izay manombana sy mampiroborobo ny loharanon-karena ao amin' io toeram-pirandrahana io.

Ny Pan African Mining dia manana fahazoan-dàlana marobe koa amin' ny manodidina ilay saha. Anisan' ny toeram-pitrandrahana arintany mifanila amin' ny faritra Sakoa ny ao Ianapera, ny ao Imaloto, ny ao Sakamena, ary ny ao Vohibory.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ao atsimo-andrefan' i Madagasikara no ahitana ny arintanin' i Sakoa izay nisy nahita voalohany tamin' ny taona 1908. Nisy fitrandrahana madinika tamin' ny andron' ny Ady Lehibe Faharoa. Ny fangadiana tamin' izay dia nahafaha-mamantatra fa mahatratra any amin' ny 12 metatra any ambanin' ny tany ny faritra azo anaovana ny fitrandrahana amin' ny toerana sasany[1].

Toetoetran'ny arintany hita ao[hanova | hanova ny fango]

Arintany ahazoana hafanana no hita ao, izay mitovy toetra amin' ny arintany aondrana avy ao Afrika Atsimo sady mety ho azo ampiasaina amin' ny foibem-pamokarana herinaratra any India sy any Eorôpa Andrefana[2]. Araka ny tombana natao amin' izao andro izao dia arintany 200 tapitrisa taonina no azo alaina ao nefa mety mihoatra ny 1 000 tapitrisa taonina ny tahirin' arintany ao.

Fitrandrahana tsy anaovana tonelina fa anaovana lavakabe mitanatana tsy misarona no heverina fa hitrandrahana ny arintany ao Sakoa[1] ary izany dia hahazoana 5 tapitrisa taonina amin' ny voalohany[3].

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. 1,0 et 1,1 "Red Island Minerals" Archived Oktobra 11, 2019 at the Wayback Machine. Coal Exploration Madagascar. VUNA Group. Notsidihina ny 17/12/2015.
  2. Praiwan, Yuthana; Wiriyapong, Nareerat (03 Marsa 2012). "PTT buys Madagascar coal mine in US$50-million deal". Bangkok Post. Notsidihina ny 16/12/2015.
  3. Geological Survey (01 December 2013). Minerals Yearbook: Area Reports: International Review: 2011, Africa and the Middle East. Government Printing Office. p. 26. ISBN 978-1-4113-3669-8.