Poopy

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy

I Poopy[hanova | hanova ny fango]

Ramahavalisoa José Helihanta no tena anarany fa teny amin'ny Lycée Andohalo no nahazahoany ny solon'anarana Poopy. Teraka tamin'ny 13 Septambra 1966. Manambady (Naivo), ary manan-janaka mianadahy izy (Tahina sy Miora).

Teraka ary lehibe tao anatin'ny zava-kanto i Poopy. Miangaly mozika koa mantsy ny rainy ary nitendry (Clavier) tao tamin'ny tarika Henri Ratsimbazafy nandritra ny 30 taona. Ny nenitoany, Voahirana, mpihira, ary ny renibeny mpanao hatsikana.

Ny nanombohany nihira[hanova | hanova ny fango]

Nanampy (Choriste) an'i Voahirana, nenitoany, no nidiran'i Poopy teo amin'ny sehatry ny hira. Vao 15 taona monja izy tamin'izany. Roa taona taoriana, tamin'ny taona 1983, dia nofidian'ny tarika Njila ho isan'ny tarika i Poopy. Tamin'ny taona 1990 dia nifindra tao Frantsa ny tarika Njila, i Poopy kosa nisafidy ny hijanona tao Madagasikara. Tamin'izay no nanombohany nihira irery (Solo). Niara-niasa tamin'i Solofo Ranarivelo izy ary tamin'ny 1990 no namoaka ny horonam-peo voalohany "Andao Handihy" izay nivoaka cd tany japon ihany koa. Tamin'ny taona 1991 izy no nanomboka niara niasa tamin'i Naivo,ary nanomboka teo dia i Poopy ihany no mamorona ny tonon-kirany rehetra ary i Naivo no manao ny feony sy miahy azy eo amin'ny tontolon'ny zava-kanto.Ny taona 1992 no nanakohako tamin'ny haino aman-jery makagasy ilay hira "Fitia Voarara" izay namafy ny fahatsaran'ny fiaraha-miasan'i Poopy sy Naivo.Ary dia Tamin'ny 1993 izy namoaka ny raki-kira "Fandresena" sy nanamarika ny faha folo taona nihirany.Teo no nahazahoany contrat tamin ny BMG ka nankany afrique du sud izy nanao an'ilay raki-kira "Malagasy Rainbow"

Ny Nampahalaza azy[hanova | hanova ny fango]

Ilay tahirin-tsary "Wedding Prayer" no nametraka ny lazan'i Poopy rehefa nandeha irery izy,ary ilay raki-kira "Malagasy Raimbow" dia anisan'ireo raki-kira malagasy be mpividy indrindra hatramin'izao.Nohon'ny lazan'io raki-kira io dia nanao fampisehoana an-tsehatra maro tamin'ny faritra maro izy ny taona 1995 sy 1996

Ny Fiainam-pianakaviany[hanova | hanova ny fango]

Ny taona 1997 no nanorina tokantrano i Naivo sy Poopy,ary niteraka ny zanany voalohany nomeny anarana hoe Tahiana. Tamin'ny 1998 izy no nankalaza ny faha 15 taona nihirany ary namoaka ilay "Ny Tiako rehetra"

Ny Niverenan'ny lazany[hanova | hanova ny fango]

Lasa fanaon'i Poopy ny manao fampisehoana indroa isan-taona ao amin'ny Palais des Sports ao Antananarivo ary ny taona 2000 izy dia namoaka ilay raki-kira "Fitiavana" izay nanatanora ny gadona hataony, Anisan'izany ny gadona dance amin'ilay hira "Zay manao ny marina" izay hira tsy mety lefy laza hatramin'izao. Eo koa anefa ny Slow izay nitiavan'ny maro azy ka tsy mahagaga raha namerina sy nananafy ny lazany indray ilay hira "Tena Namana" izay hira be mpandefa indrindra tamin'ny haino aman-jery teto Madagasikara ny faran'ny taona 2000 ary nandritry ny taona 2001. Io koa no lohatenin'ny album navoakany ny taona 2001. Marihana fa à guichet fermé nanomboka teo ny fampisehoana izay hataony ao amin'ny palais ka nametraka azy ho mpanakanto be mpijery an-tsehatra indrindra,raha toa ka milaza ny mpanao gazety malagasy fa ny talentan'ny Poopy eo amin'ny fahaizany mamorona tonon-kira izay mahakasika ny fo sy ny sain'ny maro no tena heriny. Mitohy izany lazany izany tamin'ny "Tahak'izay" ny taona 2002. Ary dia mipetraka tanteraka ho mpanakanto malagasy manana ny maha-izy azy izy.

Nankalaza ny faha 20 taona niankarany an-tsehatra izy ary hetsika maro no notontonsain'ny tarika, nivoaka ny rakikira nitondra ny lohateny hoe "mifameno", toy ny mahazatra nisy ny cabaret, ny fampisehoana goavana tao @ palais des sports 2 andro misesy, ary iray volana taty aoriana tao Antsahamanitra, feno ny toerana rehetra nanaovany fampisehoana ary nofarananay t@ bouquet final tao @ eldorado izany.

Mbola nitohy ny lazany ary nivoaka ny hira ho an'i neny, ahoana tokoa, miara-mihira, ho any aminao, izay nisy rakitsary avokoa...fampisehoana goavana tao @ palais des sports ny 01 aout 2004 ary tao Antsahamanitra ny septembre 2004...

Nisy ny "Che bel canto" izay nandraisan'i Poopy anjara nanomboka ny taona 2003 ka anjarany no nandray mpanankanto hafa ny taona 2005...fampisehoana goavana tao @ palais des sports ary nolalaovina an-tsehatra ny hirany nandritry ny fampisehoana, nivoaka ny "album best of 2005" miisa 3, ary nanao "spectacle musical" niaraka t@ itsingory izy tao @ palais des sports ny volana novembre 2005...

Efa saika ny hanapa-kevitra ny hisotro ronono i Poopy, feno 40 taona izy nefa mbola be ireo mpankafy ary tsy nanaiky izany, raikitra indray ny fampisehoana tao Antsahamanitra, feno ny toerana ary nivoaka ny hira "satria tiako"...

2007 : niaraka nanao fampisehoana i Bodo sy i Poopy, folo taona taty aoriana tao @ palais des sports, andro vitsivitsy alohan'ny fampisehoana dia efa guichet fermé!

2008 : nankalaza ny 25 taona nihirany i Poopy, ka fampisehoana tao Antsahamanitra sy "CC ESCA" no nentiny nakalazana izany...nivoaka koa ny rakikira sy rakitsary vaovao "niova dika"...

2009 : nanapakevitra ny hiverina an-tsehatra ao @ palais des sports i Poopy, ka nanomana fatratra ny fampisehoana "lava indrindra nandritry 26 taona nihirany" adiny 5 ny fampisehoana ary feno ny lapa...

2010 : fampisehoana iray tao Antsahamanitra ny volana avril 2010 ary "duo inédit" niaraka t@ Njakatiana tao @ palais des sports.

2011 : nivoaka ny rakikira vaovao "mamelà ny helokay" ary nanao fampisehoana tokana izy ny volana juin tao @ palais des sports.

2012 : nangina i Poopy ary fampisehoana tokana no notontonsainy tao @ "dôme rta", satria nanomana ny 30 taona hiankarany an-tsehatra izy.

2013 : feno 30 taona ny niakaran'i Poopy an-tsehatra ary niandry fatratra ny fampisehoana ny mpankafy, tsy niseho an-tsehatra mihitsy i Poopy nandritry ny taona 2013...

30 Taona[hanova | hanova ny fango]

Amin'ny Taona 2013 izy no hanamarika ny faha 30 taona nihirany ary hisy hetsika maromaro manodidina izany.

Raki-kira[hanova | hanova ny fango]

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  • 1990 : Andao Handihy (09 titres)
  • 1993 : Fandresena (10 titres)
  • 1994 : Malagasy Rainbow (14 titres)
  • 1998 : Ny Tiako Rehetra (13 titres)
  • 2000 : Fitiavana (12 titres)
  • 2001 : Tena Namana (11 titres + 1instrumentale)
  • 2002 : Tahak'izay (10 titres)
  • 2003 : Mifameno (10 titres)/ album spécial live vcd
  • 2004 : Ho any Aminao (11 titres)
  • 2006 : Satria Tiako (13 titres)
  • 2007 : Tia foana (album duo avec Bodo) (7 pistes +2 clips )
  • 2011 : Mamela ny Helokay (10 titres)

Best Of[hanova | hanova ny fango]

  • 2003 : Album Spécial 20 éme anniversaire (par le studio mars) (14 titres)
  • 2005 : 3 Best Of (1.Slows, 2.Rythm, 3.Evangéliques) (14 titres chacun)
  • 2008 : Coffret special 25ème en VCD et CD audio (5 clips + 5 titres)
  • 2009 : Coffret 25ème en DVD et CD audio (7 clips + 12 titres)

Rohy Hafa[hanova | hanova ny fango]