Fiteny fola

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny folany)
Ny faritra misy ny mpiteny folany aty Afrika

Ny fiteny fola na fiteny polo na fiteny peola na fiteny folany na fiteny folfolda na fiteny polaara dia fitenin-drenin' ny Fola na Folany sy ny vondrom-poko mpihavana aminy, sady fiteny faharoa ampiasaina ao Afrika Andrefana, indrindra amin' ny maha lingua franca ampiasain' ny vondrom-poko afrikina maro hafa, ao amin' ny firenena sy fanjakana hita manamorona ny reniranon' i Senegal harany amin' ny ony Nily, firenena miisa roapolo any ho any, any Afrika Andrefana sy any amin' ny faritra Sahel ary koa any Afrika Afovoany ity fiteny ity, ka anisan' izany i Senegaly, i Malỳ, i Maoritania, i Gambia, i Ginea, i Kamerona, i Nizera, i Borkina Fasô, i Tsady, i Nizerià, i Ganà, i Siera Leôna, ary i Sodàna.

Folany mandritra ny fetin' ny fampakaram-bady

Tsy misy fiteny hafa any Afrika Andrefana maharakotra faritra midadasika toy izany, na dia maro aza ny fitenim-paritr' io fiteny io, manomboka amin' ny polaara senegaley ka hatramin' ny folfolda afrikana afovoany.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny be mpampiasa ao Afrika

Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.

Fiteny isam-pirenena