Broney

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Boroney)
Sainan' i Broney
Sarin-tany maneho an' i Broney
Sarin-tanin' i Broney

I Broney na Soltanatan' i Broney Darosalama dia firenena ao amin' ny tapany avaratry ny nosy Bôrneô, ao Azia Atsimo-Atsinanana. Itambarany amin' i Malaizia sy i Indônezia io nosy io. Aamin' ny fiteny maley: izy dia atao hoe Kesultanan Brunei. Ny renivohiny dia i Bandar Seri Begawan, izay tanàna lehibe indrindra ao. Hodidinin' ny tapany atsimon' ny Ranomasin' i Sina izy sady voafefin' ny fanjakan' i Sarawak any Malezia. Ny soltana Hassanal Bolkiah no nitondra azy nanomboka tamin' ny taona 1968. Protektôrata britanika taloha izy. Isan' ny mpikambana dimy manana ny fiandrianany manokana ao amin' ny Commowealth izy. Mirefy 5 765 km2 ny velarantaniny ary miisa 108 786 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny 2011. Ny faritr'ora dia +8.

Ao amin’ ny tany lemaka amorontsoraka be honahona no misy an’ i Broney; any anaty tany dia ahitana vohon-tany be tendrombohitra, ahitana ny tandavan-tendrombohitra Crocker, ka i Pagon Priok, izay manana haambo mirefy 1 850 m, no tampona avo indrindra ao amin’ io firenena io. Saika ny antsasaky ny veleran-tanin’ ilay firenena no rakotra ala mikitroka, izay ahitana biby isan-karazany toy ny androngo, ny bibilava, ny liona, ny rajako, ny tigra, ary vorona isan-karazany. Maley ny ankamaroan’ ny mponina any Broney. Ahitana Sinoa sy Daiàka (vahoaka tompon-tany) koa any. Miozolmana ny ankamaroan’ ny mponina any. Ny fiteny maley no fiteny ôfisiany any.

Ny famokarana solitany sy etona voajanahary no mampatanjaka ny toekaren’ io firenena io. Ny fidiram-bolan’ ilay firenena dia mihoatra lavitra ny fandaniam-bolany ka noho izany dia maimaim-poana ny fianarana sy ny fitsaboana ary fisotroan-dronono any.

Prôtektôtorata britanika taloha i Broney izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1984. Mpikambana ao amin’ ny Commonwealth izy. Ankehitriny i Broney dia soltanata mampihatra fahefam-panjaka tsy refesi-mandidy: atao hoe "soltana" ny mpitondra ilay firenena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany