Altostratus

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Rahona altostratus

Ny rahona altostratus dia rahona ao amin'ny sokajin'ny rahona anivo. Ny haambon'ny altostratus dia misy 2400-6000 metatra eo ho eo. Ny Altostratus dia rahona mazavazava kokoa nohon'ny nimbostratus ary maizimaizina kokoa nohon'ny cirrostratus. Miampita ny Altostratus ny hazavan'ny masoandro, ary mandrakotra ny lanitra rehetra izy ireny matetika. Mitovy endrika amin'ny rahona stratus ny altostratus.

Mety mampiteraka loza ho an'ny fiaramanidina ny altostratus satria misy ranomandry ny fuselage-n'ny fiaramanidina rehefa miampita ny altostratus.

Vita ranomandry na ny Altostratus.

Mety misy orana vitsivitsy avy amin'ny altostratus. Sainga virga ny karazan-orana milatsaka, indrindra any amina toerana maina. Eny amin'ny haambo anivo koa izy ireny, fa mety eny ambanimbany kokoa nohon'ny haambo tokony misy azy ny altostratus noho ny hatsiaka ; rehefa mangatsiaka ny andro, dia mety oram-panala na na orana tsotra ny mety milatsaka avy amina altostratus. Ny orana dia misy noho ny lanjan'ilay rahona. Rehefa tafidina ambanimbany kokoa ny rahona, tsy hita intsony ny masoandro.

Jereo koa[hanova | modifier le wikitexte]

Wiktionary-logo.svg

Hijery « altostratus » any amin'ny Wikibolana.

Rohy ivelany[hanova | modifier le wikitexte]