Wikipedia:Tranonkala Pôetawebs

Avy amin'i Wikipedia

TRANONKALA PÔETAWEBS

Tsy mitsahatra ny manandratra ny tontolon'ny pôeta sy ny tononkalo malagasy ny tranonkala Pôetawebs hatramin'ny taona 2009 nijoroany. Noho ny fahatsapana fa tsy ampy fandalinana ny tononkalo malagasy fa mirona amin'ny famoronana asa soratra ny ankamaroan'ny pôeta dia niaraka nanaiky ny Pôeta mirahalahy, Toetra Ràja sy Fredy Jaofera, fa tokony hatsangana ny tranonkala mavitrika ho fanatanterahana an'izany asa fandalinana izany.

Namolavola ny tranonkala antsoina hoe Pôetawebs àry i Toetra Ràja ary notazonina hatrany am-piandohana ny foto-kevitra nijoroany hoe : fandalinana sy fanandratana ny pôeta sy tononkalo malagasy. Tsy fanangonana asa soratra akory ny Pôetawebs araka izany fa fampielezana asa fandalinana. Nanatevina ny mpiara-misalahy ao aminy ny pôeta vitsivitsy toa an-dry Ikaloyna Vony, Léa Fandresena, Hanitr'Ony, Tsikimilamina Rakotomavo, Doda Razafindravelo ary Heriarilala Ratsimbazafy. Samy manana ny taranja manavanana azy avy izy ireo satria ankoatra ny maha pôeta dia misy ny mpanao gazety, filohana fikambanana pôeta, mpikaroka, mpandalina tononkalo, tomponandraikim-panjakana ao amin'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Serasera, mpikabary sns.

Ireto avy ny efitra hita ao anatin'ny tranonkala :

- Tapatapakahitra. Ao no anasana ireo pôeta na olo-manan-kolazaina momba ny tonton'ny pôeta sy ny tononkalo.
- Sehatra. Efitry ny tatitra antsa tononkalo.
- Lahatsoratra. Fanambarana tranga misongadina ankoatra ny sehatra toy ny famoahana boky, fahafatesana, asam-pikambanana sns.
- Fandalinana. Efitra fanadihadiana tononkalo sy ametrahana ny voka-pikarohana momba ny tantaram-piainan'ny pôeta efa nodimandry (nanomboka tamin'ny janoary 2019).

Raisin'ny Pôetawebs ho vaindohan-draharahany ny famelana mamy ho an'ny taranaka mifandimby, momba ny tontolon'ny pôeta ankehitriny sy ny harena nolovaintsika ankehitriny. Mihevitra araka izany ny Pôetawebs fa tsy tokony ho voafetran'ny rindrin'ny tranonkala ny asa fanaony fa hitoetra anaty sehatra hafa toy ny boky, gazety sns.

http://poetawebs.e-monsite.com/

Ireto avy ny Tantaram-piainana pôeta efa nivoaka ary miseho isaky ny faha-15 ny volana :

- Clarisse Ratsifandrihamanana, 15 janoary 2018 
- Célestin Andriamanantena, 15 febroary 2018
- Lydiary, 15 marsa 2018
- Rado, avrily 2018
- Anja-Z, mey 2018
- Jean Narivony, jona 2018
- Suzy Andry, jolay 2018
- Eliza Freda, aogositra 2018
- Haingo, septambra 2018
- E.D. Andriamalala, oktobra 2018
- Elie Rajaonoarison, novambra 2018
- Ener Lalandy, desambra 2018
- Fredy rajaofera, janoary 2019
- Rô Andriamaneva, febroary 2019

Santionana Tapatapakahitra

- Zo maminirina
- Tahirintsoa
- Ampamoha
- Niry-Solosoa
- Antsiva
- Babity
- AéRa (André Rakotondranaivo)
- Niaina Sakaiza
- Saholimalala Rabarimanantsoa
- Om-Gui
- F.-X. Mahah
- Nirihaja
- Ngaly

Karazana Fanadihadiana tononkalo

- Ahy ny taniko - Robert Solo
- Rô Andriamaneva - 29 mars
- Ny Eja - 'Ndeha e izato izy...
- Toetra Ràja - Tsy ahiko
- Zo Nantenaina : Manam-bola ve
- Ikaloyna : Hainteny
- Rô Andriamaneva : Nikimpy aho

Endriky ny fandalinana lohahevitra

- Fanagasiana
- Iray volan'ny pôezia
- Fahaleovantena
- Iray volan'ny teny
- Boky?
- Sokajim-poezia

Tatitra antsa tononkalo voatsimpona

- Tenindreny 2019
- Saramba mikalo, fanamby tanteraka
- Lazon'ady
- Paotsatroka ho an'ILAY
- Ambioka an-tsehatra