Wikipedia:Momban'i Wikipedia

Avy amin'i Wikipedia

Wikipedia (tononina hoe wikipe'dja, na vikipe'di) dia tetikasa raki-pahalalàna iraisana eo amin'ny Internet, oniversaly, amin'ny fiteny rehetra ary mandeha amin'ny fomba fandehanan'ny wiki. Ny tanjon'ny wikipedia dia manome votoatiny malalaka, manana fijerena tsy mitongilana ary azo atokisana afahan'ny tsirairay manova sy manatsara.

Ny teny Wikipedia dia teny voaforona avy amin'ny wiki, teny midika sehatra, ary encyclopedia, teny anglisy ho an'ny raki-pahalalàna. Ny wiki, avy amin'ny fiteny hawaiianina wiki wiki midika « maikamaika », dia sehatra an-tranonkala manana pejy azo ovaina amin'ny fomba mora tsy mila fahaizana teknika ilaina amin'ny alalan'ny mpitsidika tranonkala (navigateur web).

Voaforona tamin'ny 2004, ny Wikipedia teny malagasy dia anisan'ny fihilan'i Wikipedia. Ankehitriny ao aminy misy lahatsoratra 97 153 ary mpikambana 33 043. Wikipedia dia raki-pahalalàna azo zarazaraina am-pahalalahana, zavatra tsy ataon'ny raki-pahalalana tsotra, miaraka amin'ny anaran'ny loharano sy ny mpanoratra azy. Ny fampiasana azy (na mivarotra azy aza) dia tsy voarara araka ny lisansy Creative Commons Paternité-Partage des Conditions Initiales à l'Identique 3.0 Unported, afahan'ny mpanoratra mamoaka ny lahatsorany.

Ho an'ny antsipirihany, vakio ny lahatsoratra mikasikan'i Wikipedia.