Wikipedia:Inona ny mpandrindra ?

Avy amin'i Wikipedia
Fanivahana
WP:sysop

Ny mpandrindra (nà admin sysop) dia mpikambana ato amin'ny wikipedia ka lany ny mpikambana sasany mba hampandeha tsara ny fikirakirana ny wikipedia, misy mpandrindra 4 'zao eto aminy wikipedia malagasy. Ny fangatahana ho mpandrindra dia azonao apetraka eto

Fa maninona no misy Mpandrindra ?[hanova ny fango]

Afaka manao zavatra be dia be ny ireo mpikambana nisoratra sy ny tsy nisoratra anarana eto aminy Wikipedia. Afaka manova pejy, manamboatra azy, manala ny fanimbana isan-karazany sns.

Ny sata mpandrindra manomehan'ny fitaovana mba hitazona ny tranonkala ny Wikipedia. Afaka mamafa pejy tsy misy dikany ohatra izy, afaka miaro ny pejy mila arovana, na afaka manakanan'ny mpikambana tsy manaja ny fototra ny Wikipedia

Tsy omena ny olona rehetra ny sata mpandrindra mba tsy hanao zava-dratsy izy. Io ny antony hoe misy ny sata mpandrindra. Raha tiana no ahazo an'io sata io, ny mpikambana manana traikefa afaka mametraka kandidatioran'ny : ilay fifidianana dia otran'ny référendum (eny na tsia) raha misy olona maro no mifidy eny, lasa mpandrindra ilay olona kandida.


Fahefan'ny mpandrindra sy ny adidiny[hanova ny fango]

Ny adidiny[hanova ny fango]

Ny adidy ny mpandrindra dia mampanatanteraka ny fanapahan-kevitra ny kômonitia.

Mpikambana izy[hanova ny fango]

Ny mpandrindra manana zo sy adidy ny mpikambana ny Wikipedia aminy :

Ireo zo sy ny adidy ireo dia tsy tombontsoa ho an'ny mpandrindra. Afaka manao na tsy manao an'io ny mpikambana eto. Na dia mpandrindra ary ny mpikambana iray, tsy olona mety mifatotra amin'ny fondation Wikipedia izy ary afaka manome ny hevitriny otran'ny mpikambana tsotra

Fitaovana azony[hanova ny fango]

Ny mpandrindra manana fitaovana manokana ambon'ny Wikipedia. afaka :

  • miaro pejy izy
  • mamafa pejy sy ny tantarany izy
  • mijery sy mamafa pejy voafafan'ny mpandrindra iray hafa izy : mijery ny tahiry na (archives)
  • mamafa tantaram-pejy izy rehefa misy zavatra tsy tokony misy amin'ny wikipedia (droit d'auteur...)
  • manakana ny mpikambana IP
  • manoratra ny afatra mitranga ao anatin'ny Wikipedia amin' MediaWiki

Fitaovana tsy anànany[hanova ny fango]

Tsy manana information ny mpandrindra amin'ny mpikambana (adiresy IP adiresy imailaka) ny mpijery IP (checkuser) ihany no afaka mijery an'ireo information ireo.

Ny mpandrindra tsy afaka manome ny sata mpandrindra ho an'ny mpikambana, ny Borōkraty na Mpiamboka ihany no afaka manolo ny sata mpandrindra mpikambana iray. Ny steward ihany no afaka manala azy.

Tsy afaka manolo anarana kaonty ny mpandrindra, ny Borōkraty ihany no afaka manao azy.

Ny zavatra afaka ataony[hanova ny fango]

{{{afatra}}}


Ny mpandrindra dia afaka

  • Mamafa pejy anaty ny tranga hitamaso (fanandramana, fanimbana sns.) tsy manome vaovao misy dikany ho an'ny raki-pahalalàna, zavatra tsy manaja ny licence GFDL, pejy voafotsin'ny mpikambana tsy mpandrindra. Tsy ilaina ny fandianana makany amin'ilay pejy tokony vonoina.
  • Manakanan'ny mpikambana manimba ny raki-pahalalàna:
    • Ny mpikambana manisy zavatra misy "copyright"
    • Ny mpikambana voatolotrin'ny "comité d'arbitrage"
  • Miaro pejy ny mpandrindra rehefa misy :
    • Adim-panovana
    • Pejy fifidianana efa vita

Ny mpandrindra tokony manontany ny mpikambana rehefa misy fanapahan-kevitra tokony alaina

Ny zavatra tsy azo ataony[hanova ny fango]

Tsy manana tombon-tsoa ny mpandrindra anatin'ny fanamboarana, ny endrika, ny fitondrana.

Ny mpandrindra tokony tsy maka fanapahan-kevitra raha tsy miteny amin'ny fikambanana izy ; tokony tsy mampiasan'ny satany izy ho an'azy irery.

Ny mpandrindra tokony tsy :

  • Manakana mpikambana raha sosotr'aminy izy
  • Miaro pejy nataony misy ady fisoloina

Tsy mampiasa ny fitaovany tsara ny mpandrindra raha manana io fomba io izy.

Jereo koa[hanova ny fango]

  • Mpandrindra – ny lisitry ireo mpandrindra sy ny lisitra ireo olona maniry handrindra