Wikipedia:Handefa takelaka

Avy amin'i Wikipedia

RANDRIATOJO Constant Mpikabary, Mpandalina fomba malagasy, Mpanoratra

Maha mpikabary sy Mpanoratra an'i RANDRIATOJO Constant dia anisany olona sarotiny amin'ny teny malagasy izy ka hoy izy hoe mila hajaina ny tenim-pirenena satria ny teny mihitsy no maha olom-pirenena malagasy anao, "handrianiko ny teniko ny hafa koa feheziko", ankehitriny dia lasa mahamenatra hoy i RANDRIATOJO Constant fa misy malagasy tsy mahay ny tenim-pireneny fa tena voazanaka hatramin'ny toe-tsainy, entanina arak'izany ireo mpampianatra teny malagasy any amin'ny isan'ambaratonga mba hanitsy ireny teny diso voasoratra sy voalaza ireny.


Mpandalina fomba malagasy sy ny tontolon'ny zavaboary ihany koa i RANDRIATOJO Constant ka hoy izy hoe ny fitiava-tanindrazana dia tsy mihanona fotsiny amin'izao fa mila mahafantatra ny tontolo zavaboary rehetra eo aminy , azo atao tsara mampiasa ireo harena miafina ao anatinao sy ny tontolon'ny zavaboary mba ho fanovana ny fomba fijery ho tsara hitondra fahombiazana, mila miezaka mikaroka hatrany raha toa ka liana amin'izy ireny, tsy midika fanompoan-tsampy velively arakin' ny fihevitry ny sasany mihitsy hoy i Constant RANDRIATOJO ny fampiasana ravin-kazo na tapakazo na fampiasana ireny rano eny amin'ny doany fa zava-maniry sy loharano voajanahary avokoa ireny, samy manana toerana misy azy avy ireny rehetra ireny, ary tsy tonga ho azy ny fahalalana fa mila ianao mihitsy no miezaka mikaroka momban'izy ireny, Aza mijery ny mpanenjika anao n'inona n'inona lazain'olona fa miezaha hatrany tratraro ny tanjona mba ho tonga olona mahomby sy miavaka hatrany ianao, arak'izany indrindra no hitarihana an'ireo namana rehetra malagasy tia tanindrazana mba hanana finiavana hampandroso ny aram-panahy sy hanaja ireny tontolon'ny zavaboary ireny mba tsy ho very hasina.

"Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby ary atsipy ny teny any am-pon'ny manam-panahy"