Vondronosy Marquises
Ny Vondronosy Marqueses dia iray amin' ny vondronosy dimy any Polynésie française. Atao amin' ny teny markiziana hoe Te Fenua Ènata na Te Henua Ènana izay samy midika hoe "Tanin' ny Olombelona" ity vondonosy ity. Ilay Espaniôla Álvaro de Mendaña no niantso ireo nosy ireo toy izany ho fanomezam-boninahitra ny vadin' ny mpiaro azy, atao hoe García Hurtado de Mendoza, mpanjaka-lefitra tany Però sy marquis any Cañete. Nanatona azy ireo tamin' ny tamin' ny taona 1595 izy. Nitsidika an' i Fatu Hiva aloha i Mendaña, avy eo i Tahuata, vao tonga tany amin' ny Vondonosy Sôlômôna. Ny Vondronosy Marquises dia voasoratra ho Lova Iraisam-Pirenen' ny UNESCO nanomboka tamin' ny taona 2024. Ireto ny nosy lehibebe mivondro na ao: Nuku Hiva, Ua Pou, Ua Huka, Hiva Oa, Tahuata, Fatu Hiva. Tamin' ny taona 2022 dia nisy mponina 9 839 ity vondronosy ity izay mirefy 997 km2.