Vondron-kintana

Avy amin'i Wikipedia
ny Galaksia M51, galaksia olanolana iray

Ny vondron-kintana dia toerana ahitana kintana maro dia maro izay nifanakaiky tamin'ny alalan'ny hery vokatry ny lanja (gravity). Tsy kintana irery akory no misy ao amin'ny vondron-kintana fa ahitana, vovo-kintana, etona, plasma, ary zavatra mainty izay tsy hita maso. Ny isan'ny kintana ao amina vondron-kintana iray dia eo amin'ny folo tapitrisa hatramin'ny roa ambin'ny folo tiriliôna (1012), izay mihodina manodidina ivon-danja iombonana.

Refesina amin'ny taon-kazavana ny savaivon'ny vondron-kintana iray, eo amin'ny iray hetsy eo ho eo ny savaivon'ny ankamaroan'izy ireo ; ny halaviran'ny vondron-kintana roa dia isaina amin'ny taon-kazavana aman-tapitrisany.

Ny zavatra mainty dia miseho ho 90% ny lanjan'ny vondron-kintan arehetra, mbola vitsy ny fampahalalana ananana mikasika ilay zavatra mainty. Eo anivon'ny ankamaroan'ny vondron-kintana dia ahitana lavaka mainty lehibe izay mamotika ny kintana mandalo eo akaikiny na midona aminy.

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]

Miteny frantsay[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.