Mpikambana:Gasikarako
manasa e!!!
[hanova | hanova ny fango]Tonga soa eto amin'ity pejy natokana ho ahy ity saingy tiako hifampizarana aminareo!!!
ny momba ahy
[hanova | hanova ny fango]Misaotra antsika rehetra tonga hitsidika ity pejy ity.
Ity no pejy ahafahako miserasera amin'ireo olona tiako hiseraserana Saingy any alavitra ka tsy afa-mitafa amiko isan'andro.
Eto ihany koa no anehoako ny asan'ny saiko; vetson'ny fo, aingam-panahy
Izay miainga avy ao anatiko avokoa fa mbola tiako ho zaraina amintsika ihany koa!
Mi-Aina Razanadrainibe RAMANANTOANINA, teraka tamin'ny volana jolay 1985, tany amin'ny tany niaviako any ambanivohitra any.
Zanak'i DADA sy NENY, DADA moa marihina fa mbola eo anivonay amin'izao fotoana izao,
fa i NENY kosa no efa nandao ny volana jolay 2007 Rehefa avy niara-paly nankafy fiainana sy niara-nikorana taminay isan'andro tao an-trano.
Ity pejy ity dia natokako indrindra
hanehoako ny fankamamiako ny teny Malagasy izay nimatimatesan'i DADA hatramin'izay ka hatramin'izao ny hitenenako azy tsy misy diso.
Fito mianadahy izahay no zanak'i DADA sy i NENY,
fito mianadahy izay samy manana ny fiainany avokoa.
Izaho moa amin'izao fotoana izao dia mbola ao anatin'ny tontolon'ny fianarana tanteraka
saingy efa mangalatra kely ihany koa eo amin'ny sehatry ny asa sahady.
Tapa-kevitra aho ankehitriny fa handranty ireo asan'ny saiko ho hitan'olona maro be,
eny fa dia izaho tenako aza dia mahatsapa fa mbola tsy tokony ho amin'izany ny toerana misy ahy noho ny tsy mbola fahafolahako tsara ny teny sy ny tsy fananako aingam-panahy tsara. Saingy noho izaho miaina ao anatin'ny tontolon'ny fanoratana an-gazety isan'andro sy ny fiainako eo ambany fiahian'i DADA izay mpikabary,
mpanoratra tonokalo, ary mpamoro-kira dia manantena aho fa hanampy ahy be dia be izy.
Mifandray amina mpanakanto sy mpamorona maro ihany koa aho,
ka izy ireo no antenaiko hanitsy ny diako sy hankahery ahy hatrany miaraka amin'ny fanambinan'Andriamanitra Raiko izay efa tsy nanary ahy hatrizay.
Mazotoa ary dia ankafizo!
NENY A!
[hanova | hanova ny fango]Neny a! dia ho tsiahy ve sisa
Ny fiaraha-mitanisa
Ireo hira tian’ Ineny
Nokalointsika ombieny
Neny a! dia ho tsiahy ve sisa
Ilay fiaraha-mamisavisa
Ilay ho avikelinay
Hanao ahoana rahatrizay
Neny o! malahelo anao aho
Ilay zanaka maminao
Voatery hiatrika irery
Ity fiainako nilaozan’Ineny
SOA FA NISY IRENY
[hanova | hanova ny fango]Soa fa nisy ireo hira
Izay fikalokalonao
Soa fa nisy ireo hira
Lasa fikaloko amin’izao
Ao am-bavako ireny
Ilay hira maminao ry Neny
Soa fa nisy ireo hira
Mampitodika ahy indray
Soa fa nisy ireo hira
Nampiaraha-peo fahizay
Mifono anatra ombieny
Tsaroako ireny rehetra ireny
Soa fa nisy ireo sary
Mampatsiahy ny endrikao
Soa fa nisy ireo sary
Mamelona ny tsikinao
Ao am-ponay indray ry Neny
Fa mafy ny nilaozanao
Soa fa nisy ireo sary
Mamerina ireo fahiny
Soa fa nisy ireo sary
Mampitadidy iny ora iny
Ny ora nanitrihana anao Neny
Hihidy anaty fasana ao
MITRAKA HATRANY
[hanova | hanova ny fango]Seporina ho tsy afa-mikopoka Totorana aho fa tsy voatototra Satria ireo anatranatrao No manjohy izany diako
Ailika aho fa tsy voailika Saromana fa tsy voasarona Satria ireo toro-hevitrao No manjohy izany lalako
Lotoina aho fa tsy maloto Roraina aho fa tsy rarahiko Satria ireo fivavahanao No manjohy ny fanahiko
DIA HO SANATRIA VE?
[hanova | hanova ny fango]Dia ho sanatria ve? Tsy tia ahy intsony izy
Ka ireo zava-maro be Novitainay sy izy
Dia ho zary fahatsiarovana Embona sy tsiany sisa
Ka hanjary hahatorovana Ny hisaina sy hitanisa
Ireny rehetra ireny Izay rehetra izay
Satria ireo teny Izay natao hoe “maminay”
Dia navalon’ny fotoana Ary ho toy ny zava-poana
Ka hanjary babangoana Izay rehetra manoloana
Izaho anefa mbola tia Nefa ataoko ahoana indray
Ny hanazava aminy ny fitia Tato am-poko hatrizay
RAY Ô!!!
[hanova | hanova ny fango]Ray ô!
Misy zanakao enjehina
Fa hoe tsy mendrika ho tiavina
Fa mahantra ka tetehina
Hovonoina sy halevina
Ray ô!aza avela ho very maina
Ny fahoriana izay hiaretany
Jesoa ô!
Ny zandrinao hiray fo
Tsy avela fa sakanana
Tadiavina ho verezin-jo
Fa hoe tsy mendrika fiadanana
Jesoa ô!aza avela ho very maina
Ny fitiavana ao am-pony
Fanahy ô!
Tongava hanampy anay hitolona
Hatanjaho ny fo sy saina
Enga anie ho eken’ny olona
Ny firaisanay aina
Fanahy ô!aza avela ho very maina
Ny tolona ilofosanay
DIA HOE…NEFA…
[hanova | hanova ny fango]Dia hoe mpifankatia
Nefa raràna “tsy hiara-dia”
Ka ilay fitia
Izay nandrandraian ho doria
Dia fitiavana misaona
Saingy mbola eo foana
Dia hoe miaraka
Nefa raràna tsy “hiaraka”
Ka ilay fiarahana
Izay irariana tsy hifarana
Dia fiarahana mijaly
Saingy mbola toy ny omaly
Dia hoe mpianamana
Nefa raràna sy sakanana
Ka ilay finamanana
Izay antenaina ho tsy hisy fitsaharana
Dia finamanana mitomany
Saingy mbola eo ihany
IRERY-MANIRERY
[hanova | hanova ny fango]Irery aho izao
Tsapako toa lavitra ahy, any ianao
Oriory izato foko
Tsy eo anilako ianao ilay tsy foiko
Nalatsako ny ranomaso
Ranomasom-panembonana, ranomason’ny ankaso
Ny foko vonton’alahelo
Mijaly manirery, indrisy toa mamelovelo
Ny saiko reraky ny tsiaro
Ireo andro niarahana, ora sy minitra maro
Any ianao any
Saraka anao izaho nanjary nitomany