Mpikambana:Gasikarako

Avy amin'i Wikipedia

manasa e!!![hanova | hanova ny fango]

   Tonga soa eto amin'ity pejy natokana ho ahy ity saingy  tiako hifampizarana aminareo!!!


ny momba ahy[hanova | hanova ny fango]

   Misaotra antsika rehetra tonga hitsidika ity pejy ity. 

Ity no pejy ahafahako miserasera amin'ireo olona tiako hiseraserana Saingy any alavitra ka tsy afa-mitafa amiko isan'andro.

   Eto ihany koa no anehoako ny asan'ny saiko; vetson'ny fo, aingam-panahy 

Izay miainga avy ao anatiko avokoa fa mbola tiako ho zaraina amintsika ihany koa!

   Mi-Aina Razanadrainibe RAMANANTOANINA, teraka tamin'ny volana jolay 1985, tany amin'ny tany niaviako any ambanivohitra any.
   Zanak'i DADA sy NENY, DADA moa marihina fa mbola eo anivonay amin'izao fotoana izao, 

fa i NENY kosa no efa nandao ny volana jolay 2007 Rehefa avy niara-paly nankafy fiainana sy niara-nikorana taminay isan'andro tao an-trano.

   Ity pejy ity dia natokako indrindra 

hanehoako ny fankamamiako ny teny Malagasy izay nimatimatesan'i DADA hatramin'izay ka hatramin'izao ny hitenenako azy tsy misy diso.

   Fito mianadahy izahay no zanak'i DADA sy i NENY, 

fito mianadahy izay samy manana ny fiainany avokoa.

   Izaho moa amin'izao fotoana izao dia mbola ao anatin'ny tontolon'ny fianarana tanteraka 

saingy efa mangalatra kely ihany koa eo amin'ny sehatry ny asa sahady.


   Tapa-kevitra aho ankehitriny fa handranty ireo asan'ny saiko ho hitan'olona maro be, 

eny fa dia izaho tenako aza dia mahatsapa fa mbola tsy tokony ho amin'izany ny toerana misy ahy noho ny tsy mbola fahafolahako tsara ny teny sy ny tsy fananako aingam-panahy tsara. Saingy noho izaho miaina ao anatin'ny tontolon'ny fanoratana an-gazety isan'andro sy ny fiainako eo ambany fiahian'i DADA izay mpikabary,

mpanoratra tonokalo, ary mpamoro-kira dia manantena aho fa hanampy ahy be dia be izy.
   Mifandray amina mpanakanto sy mpamorona maro ihany koa aho, 

ka izy ireo no antenaiko hanitsy ny diako sy hankahery ahy hatrany miaraka amin'ny fanambinan'Andriamanitra Raiko izay efa tsy nanary ahy hatrizay.

   Mazotoa ary dia ankafizo!



NENY A![hanova | hanova ny fango]

Neny a! dia ho tsiahy ve sisa

Ny fiaraha-mitanisa

Ireo hira tian’ Ineny

Nokalointsika ombieny



Neny a! dia ho tsiahy ve sisa

Ilay fiaraha-mamisavisa

Ilay ho avikelinay

Hanao ahoana rahatrizay



Neny o! malahelo anao aho

Ilay zanaka maminao

Voatery hiatrika irery

Ity fiainako nilaozan’Ineny


SOA FA NISY IRENY[hanova | hanova ny fango]

Soa fa nisy ireo hira

Izay fikalokalonao

Soa fa nisy ireo hira

Lasa fikaloko amin’izao

Ao am-bavako ireny

Ilay hira maminao ry Neny

Soa fa nisy ireo hira

Mampitodika ahy indray

Soa fa nisy ireo hira

Nampiaraha-peo fahizay

Mifono anatra ombieny

Tsaroako ireny rehetra ireny


Soa fa nisy ireo sary

Mampatsiahy ny endrikao

Soa fa nisy ireo sary

Mamelona ny tsikinao

Ao am-ponay indray ry Neny

Fa mafy ny nilaozanao

Soa fa nisy ireo sary

Mamerina ireo fahiny

Soa fa nisy ireo sary

Mampitadidy iny ora iny

Ny ora nanitrihana anao Neny

Hihidy anaty fasana ao


MITRAKA HATRANY[hanova | hanova ny fango]

Seporina ho tsy afa-mikopoka Totorana aho fa tsy voatototra Satria ireo anatranatrao No manjohy izany diako

Ailika aho fa tsy voailika Saromana fa tsy voasarona Satria ireo toro-hevitrao No manjohy izany lalako

Lotoina aho fa tsy maloto Roraina aho fa tsy rarahiko Satria ireo fivavahanao No manjohy ny fanahiko


DIA HO SANATRIA VE?[hanova | hanova ny fango]

Dia ho sanatria ve? Tsy tia ahy intsony izy

Ka ireo zava-maro be Novitainay sy izy

Dia ho zary fahatsiarovana Embona sy tsiany sisa

Ka hanjary hahatorovana Ny hisaina sy hitanisa

Ireny rehetra ireny Izay rehetra izay

Satria ireo teny Izay natao hoe “maminay”

Dia navalon’ny fotoana Ary ho toy ny zava-poana

Ka hanjary babangoana Izay rehetra manoloana

Izaho anefa mbola tia Nefa ataoko ahoana indray

Ny hanazava aminy ny fitia Tato am-poko hatrizay


RAY Ô!!![hanova | hanova ny fango]

Ray ô!

Misy zanakao enjehina

Fa hoe tsy mendrika ho tiavina

Fa mahantra ka tetehina

Hovonoina sy halevina

Ray ô!aza avela ho very maina

Ny fahoriana izay hiaretany



Jesoa ô!

Ny zandrinao hiray fo

Tsy avela fa sakanana

Tadiavina ho verezin-jo

Fa hoe tsy mendrika fiadanana

Jesoa ô!aza avela ho very maina

Ny fitiavana ao am-pony



Fanahy ô!

Tongava hanampy anay hitolona

Hatanjaho ny fo sy saina

Enga anie ho eken’ny olona

Ny firaisanay aina

Fanahy ô!aza avela ho very maina

Ny tolona ilofosanay


DIA HOE…NEFA…[hanova | hanova ny fango]

Dia hoe mpifankatia

Nefa raràna “tsy hiara-dia”

Ka ilay fitia

Izay nandrandraian ho doria

Dia fitiavana misaona

Saingy mbola eo foana



Dia hoe miaraka

Nefa raràna tsy “hiaraka”

Ka ilay fiarahana

Izay irariana tsy hifarana

Dia fiarahana mijaly

Saingy mbola toy ny omaly


Dia hoe mpianamana

Nefa raràna sy sakanana

Ka ilay finamanana

Izay antenaina ho tsy hisy fitsaharana

Dia finamanana mitomany

Saingy mbola eo ihany

IRERY-MANIRERY[hanova | hanova ny fango]

Irery aho izao

Tsapako toa lavitra ahy, any ianao

Oriory izato foko

Tsy eo anilako ianao ilay tsy foiko


Nalatsako ny ranomaso

Ranomasom-panembonana, ranomason’ny ankaso

Ny foko vonton’alahelo

Mijaly manirery, indrisy toa mamelovelo


Ny saiko reraky ny tsiaro

Ireo andro niarahana, ora sy minitra maro

Any ianao any

Saraka anao izaho nanjary nitomany