Tsangambato
Ny tsangambato dia vato natsangana ho fahatsiarovana, izay amin' ny ankapobeny lava tsanganana sy tery sakana, indrindra tamin' ny Andro Taloha. Matetika misy soratra na haingo (sary) na izy roa, izay mety azo amin' ny alalan' ny fisokirana (lalina na mivohitra) na fandokoana, ny tsangambato. Noforonina noho ny antony maro ny tsangambato. Ampiasaina amin' ny fandevenana na ho solom-pasana ny tsangambato natao hahatsiarovana ny maty. Nampiasain' ny fitondram-panjakana grika sy rômana fahiny koa ho fanamarihana na ho famantarana ny sisin-tany na ny fananan-tany ny tsangambato vita amin' ny takela-bato. Indraindray dia naorina ny tsangambato mba ho fahatsiarovana ady; ohatra, misy tsangambato maherin' ny enina natsangana teo amin' ny toeram-piadiana tao Waterloo, any amin' ny toerana nisy ady malaza nataon' ny mpandray anjara, ankoatry ny mari-pahatsiarovana hafa.