Aller au contenu

Tirakitera

Avy amin'i Wikipedia
Tirakitera na traktera

Ny tirakitera na traktera dia fiara natao manokana hanaterana fitarihana goavana amin' ny hafainganam-pandeha miadana, mba hitarihana tranofiara na milina toy ny ampiasaina amin' ny fambolena na fitrandrahana na fanorenana. Amin' ny ankapobeny, io teny io dia ampiasaina hamaritana fiaram-pambolena izay manome tanjaka sy fisintonana raha natao mekanika ny asa fambolena, indrindra (sy tany am-boalohany) fa ny fiasana ny tany, ary ankehitriny ny maro hafa koa. Azo sintonina ao aoriana na apetraka eo ambonin' ilay tirakitera ny fitaovam-pambolena, ary mety hanome loharanon' angovo koa ny tirakitera raha toa ka natao mekanika ilay fitaovana.