Thomas Cajetan

Avy amin'i Wikipedia
I Martin Lotera eo anatrehan' i Thomas Cajetan, sary nataon' i Ferdinand Pauwels

I Thomas Cajetan na Thomas de Vio na Tommaso de Vio na Caetanus dia filôzôfa sy teôlôjiana italiana, kardinaly (tamin' ny taona 1517 hatramin' ny taona 1534 nahafatesany). Teraka tamin' ny 20 Febroary 1469 tany Gaeta (tao amin' ny Fanjakan' i Napoli, tanàna any Italia ankehitriny) ary maty tao Rôma tamin' ny 9 Aogositra 1534 izy. Nisahana ny asan' ny Magister Ordinis Predicatorum ("Mpampianatra ao amin' ny filaharan’ ny mpitoriteny") tamin' ny taona 1508 ka hatramin’ ny 1518 izy. Teôlôjiana nalaza tamin’ ny androny izy, izay malaza indrindra ankehitriny ho mpitondra tenin’ ny fanoheran’ ny Katôlika ny fampianaran’ i Martin Lotera sy ny Fanavaozana Prôtestanta fony izy Legatan’ ny papa tany Augsburg, ary anisan’ ny malaza amin' ny Katôlika nanao heviteny be dia be momba ny Summa Theologica nosoratan' i Tômasy avy any Akoino izy.

Tsy tokony hafangaro amin' ny mpiara-belona aminy atao hoe Md Cajetan, mpanorina ny Theatines, izy.