Tetiandro joliana nahitsy

Avy amin'i Wikipedia
Sarin'i Milutin Milanković tamin'ny taona 1910.

Ny tetiandro joliana nahitsy, izay atao hoe tetiandron'i Milanković koa, dia novolavolaina sy natolotr'ilay manampahaizana serba atao hoe Milutin Milanković nandritra ny Sinodan'ny Konstantinopolisy tamin'ny taona 1923. Ny tanjona dia ny hamerina indray ny fifanandrifian'ny daty tsy mitovy hatramin'ny efajato taona teo amin'ny fanaon'ireo Fiangonana ortodoksa izay miorina amin'ny tetiandro joliana, sy ny tetiandro gregoriana. Mba hahatongavana amin'izany dia nanisy elanelana 13 andro amin'ny tetiandro joliana i Milanković tamin'ny Octobra 1923.

Ny fifanandrifiana eo amin'ny datin'ny tetiandro joliana nahitsy sy ny an'ny tetiandro gregoriana dia tsy voantoka afa-tsy amin'ny vanimpotoana manokana; satria samy hafa ny fimirana ara-masoandro amin'ireo tetiandro ireo, ny fanisihana andro fanampiny amin'ny taon-taonjato dia tsy voafaritry ny fitsipika mitovy ary hisy elanelana andro iray amin'ny taona 2800.

Raha momba ny fimirana ara-bolana kosa dia tsy mampiasa ny tsingerin'i Metona io tetiandro nahitsy io, sahala amin'ny tetiandro gregoriana, fa miorina amin'ny fijerena ny Volana ao Jerosalema.