Hankany amin'ny vontoatiny

Tendrombohitra Tabôra

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tendrombohitra Tabara)
Tendrombohitra Tabôra

Ny Tendrombohitra Tabôra na Tendrombohitra Tabara dia havoana any Galilea Ambany, any Israely, eo amin’ ny farany atsinanan’ ny Lohasahan' i Jezirela, 18 km any andrefan' ny Ranomasin’ i Galilea. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe جبل طابور; fa amin' ny teny hebreo kosa dia הר תבור / Har Tavor.

Ao amin' ny Baiboly hebreo (Jôsoa, Mpitsara), ny Tendrombohitra Tabôra no toerana nisy ny ady teo amin’ ny tafika israelita teo ambany fitarihan’ i Baraka sy ny tafik’ i Jabina, mpanjakan’ i Hazora Kananita, notarihin’ i Sisera.

Ao amin' ny lovantsofina kristiana sasany dia ny Tendrombohitra Tabôra no toerana nisy ny fiovan-tarehin’ i Jesosy.