Tarehimarika arabo

Avy amin'i Wikipedia
Tarehimarika arabo

Ny tarehimarika arabo, araka ny endri-tsoratra tandrefana (indrindra eorôpeana) ny tarehimarika folo (1, 2, 3, 4, 5, 6, 7, 8, 9, 0) izay an' ny fomba fanisa indô-arabo. Ny fitsipika mifehy ny fanoratana azy dia teraka tany India tamin' ny fomba fanisana indiana, ary avy eo dia tonga any amin' ny Tandrefana tamin' ny Andro Antenatenany tamin' ny alalan' ny fifandraisana amin' ny Arabo mpahay matematika. Ny endri-tsoratra eorôpeana noho izany dia avy amin' ny endri-tsoratra ao amin' ny Tontolo Arabo andrefana tamin' ny Andro Antenatenany, izany no niavian' ny anarana hoe "tarehimarika arabo". Amin' izao fotoana izao, io endri-tsoratra arabo io dia ampiasaina ao Maghreb (ka antsoina hoe "tarehimarika ghûbar) sy any amin' ny Tandrefana, ary io no mihamanjaka any amin' ny firenena maro eran-tany.

Na izany aza, ny endri-tsoratra ho an' ireo "tarehimarika arabo" ireo dia tsy mitovy amin' ny zokiny, dia ny tarehimarika arabo tatsinanana (ampiasaina amin' ny ampahany amin' ny Tontolo Arabo ivelan' i Maghreb), sy ny tarehimarika indiana. Ireo rehetra ireo dia karazana endri-tsoratra avy amin' ny fomba fanisa indô-arabo.

Satria mety mampifangaro zavatra anarana hoe "tarehimarika arabo" dia misy koa anarana hafa anondroana azy ireo toy ny hoe "tarehimarika ASCII" (an' ny infôrmatika manokana), "tarehimarika eorôpeana", "tarehimarika latina", "tarehimarika tandrefana", "tarehimarika arabo tandrefana", "tarehimarika ghubār" na "tarehimarika hindo-arabo".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]