Hankany amin'ny vontoatiny

Tambajotra

Avy amin'i Wikipedia

Ny tamba-jotra (izay azo soratana tambajotra), avy amin'ny teny tambatra ary zotra dia zotra iray manana toerana iraisany amin'ny zotra hafa maro. Io zotra io dia mety zotra tariby (izay mifampita fampahalalana amin'ny alalan'ny aratra na ny hazavana) na zotra mifampita fampahalalana amin'ny alalan'ny taratra elektrômanetika. Eto amin'izao tontolo izao, ny tambajotra[1] misongadina indrindra dia ny Aterineto, izay tambajotran-tsolosaina; ary eo amin'ny aterineto, ny tambajotra ara-tsôsialy izay tranonkala ifandraisan'ny olona.

Ny tambajotra[2] ihany koa dia fitambaran'ny solosaina, fitaovana, sy rafitra mifandray amin’ny alalan’ny tariby na onjam-peo (wireless), izay ahafahan’izy ireo mifampizara angona, rakitra, na fampahalalana.

Misy karazany roa lehibe amin’ny tambajotra:

  1. Tambajotra anatiny (Local Area Network – LAN): ampiasaina amin’ny toerana kely, toy ny trano, birao, na sekoly.
  2. Tambajotra lavitra (Wide Area Network – WAN): tambajotra lehibe mampifandray solosaina[3] manerana ny faritra maro, toy ny aterineto.

Antony maha-zava-dehibe ny tambajotra :

[hanova | hanova ny fango]
  • Mampifandray olona sy fitaovana.
  • Manamora ny fifandraisana sy fizarana angon-drakitra.
  • Ampiasaina amin’ny asa, fianarana, fialamboly, sns.

Ohatra amin’ny tambajotra :

[hanova | hanova ny fango]
  • Wi-Fi
  1. https://mg.globalvoices.org/2016/03/13/80027/
  2. https://mg.globalvoices.org/2016/03/13/80027/
  3. https://mg.globalvoices.org/2014/10/29/65332/