Tiako i Madagasikara
Ny Tiako i Madagasikara (TIM) dia antoko pôlitika malagasy nitsangana tamin' ny 3 Jolay 2002 mba hanohanana ny filoha Marc Ravalomanana. Taorian' ny fifidianana solombavambahoaka natao tamin' ny 23 Septambra 2007 izy no antoko nanana ny maro anisa indrindra tao amin' ny Antenimieram-pirenena teto Madagasikara, izay nahazo toerana 106 amin' ny 127. Ao Ankorondrano Antananarivo no misy ny foiben' ilay antoko. Voafidy indray tamin' ny anaran’ io antoko io tamin' ny vato 55,79 % Ravalomanana tamin' ny fifidianana filoham-pirenena taminb' ny Desambra 2006.
I Solofonantenaina Razoarimihaja no filohan' ny TIM tamin' ny taona 2002 ka hatramin' ny 2007. Ny 12 Oktobra 2007 no nandimby azy i Yvan Randriasandratriniony, izay filoha vonjimaika. Lany tamin' ny fomba ôfisialy ho filohan' ny TIM i Yvan Randriasandratriniony tamin' ny 21 Mey 2008, nandritra ny kôngresy nasiônaly faharoan' ny antoko, raha i Ivohasina Razafimahefa kosa no lany ho sekretera jeneraly. Nitarika ny antoko TIM tamin' ny fifidianana solombavambahoaka malagasy 2013 Ravalomanana.
Election results
[hanova | hanova ny fango]Presidential elections
[hanova | hanova ny fango]Election | Candidate | 1st round | 2nd round | Results | ||
---|---|---|---|---|---|---|
# | % | # | % | |||
2001 | Marc Ravalomanana | 2.306.600 | 51.46% | 1. | Elected | |
2006 | 2.435.199 | 54.79% | 1. | Elected | ||
2013 | Jean Louis Robinson | 955.534 | 21.10% | 1.791.336 | 46.51% | Lost |
2018 | Marc Ravalomanana | 1.760.837 | 35.35% | 2.060.847 | 44.34% | Lost |
2023 | 586.282 | 12.09% | - | Lost |